
Sinema “Metro” ao Santiago, Shily, 1937. Sary nalaina tao amin'ny kaonty Flickr SantiagoNostalgico, nampiasàna lisansa Creative Commons (CC BY-ND 2.0).
Nanangona ny lisitr'ireo sarimihetsika Shiliana miisa 1:171 ny tranonkala Cinechile , anisan'izany ny sarimihetsika fohy, ny sarimihetsika indray miseho, ireo horonantsary fanadihadiana ary ny sarimiaina amin'ny karazana samihafa sy avy amin'ny vanim-potoana maro amin'ny tantaran'ny firenena. Navoakan'ny mpamokatra antserasera ireo sarimihetsika ireo ary ny fikambanana Shiliana nanoka-tena ho amin'ny fampiroboroboana ny haino aman-jery no mitahiry izany.
Manazava ny tranonkala:
En este lugar agrupamos 1171 largos de ficción, documentales y cortometrajes que han sido subidos para verse online de manera oficial, según los sitios que los han puesto a disposición. En este sentido, destacamos la gran labor de los sitios del Archivo Digital de la Cineteca Nacional, Cinetecavirtual.cl, Cinépata.com y el Archivo Patrimonial de la Universidad de Santiago. Además, se suman los vínculos de numerosos realizadores que suben sus propios trabajos en la red.
Nanangona andian-tsarimihetsika, horonantsary fanadihadiana sy horonantsary fohy miisa 1.171 izay navoaka ofisialy amin'ny aterineto izahay ato amin'ity tranonkala ity , araka ireo tranonkala izay nanolotra izany ho maimaim-poana. Izany hoe, tianay ny hanome fankasitrahana ny asa goavan'ny tranonkala toy ny Arsiva Nomerikan'ny Tranon-tsarimihetsika Nasionaly, Cinetecavirtual.cl, Cinépata.com ary ny Arisivam-bakoka ao amin'ny Oniversiten'i Santiago. Ankoatra izay, nanampy sarimihetsika avy amin'ny mpanatontosa sarimihetsika maro izahay izay nandefa ny asany ao amin'ny tranonkala.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...