- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Iraniana Miresaka Momba Ilay Mpanao Gazety Nogadraina sy Kiordistana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aogositra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

1-Olona an-jatony no manohana an'i Akbar Ganji [1], mpanao gazety Iraniana nogadraina izay eo amin'ny andro faha-62 amin'ny fitokonany tsy hihinan-kanina: Andro vitsy lasa izay, nanoratra taratasy ireo olona maherin'ny 150, ​​anisan'izany ireo solombavambahoaka teo aloha, mpanoratra, mpitarika ny hetsiky ny mpianatra ary nanambara fa amin'ny Alakamisy amin'ny 2 ora, handeha eny amin'ny hopitaly hihaona amin'i Ganji izay manohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina izy ireo. Notaterin'ny Webnameh [2] fa hatramin'ny 3 ora, mpianatra sy tanora an-jatony no nanasonia ny taratasy saingy latsaky ny folo kosa ny isan'ireo olo-malaza nanasonia izany! Araka ny filazan'ny RadioFarda, [3] naniry ny hihaona amin'i Ganji ny solontenan'ny mpanao fihetsiketsehana saingy nosakanan'ny mpitandro filaminana. Namaky ny fangatahany ireo mpanao fihetsiketsehana: Nandrisika izy ireo fa manan-jo tanteraka hihaona amin'ny fianakaviany, namana sy ny mpisolovavany i Ganji. Folo andro eo ho eo, tsy misy olona manana vaovao mikasika ity mpanao gazety nogadraina ity. Nangataka ihany koa izy ireo mba hotsaboina tsara any amin'ny hopitaly tsy misy faneriterena avy amin'ireo mpiasan'ny mpampanoa lalàna izy. Nitaky ny famotsorana an'i Ganji avy any am-ponja ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana ary nangataka azy mba hijanona amin'ny fitokonany tsy hihinan-kanina. Nilaza koa izy ireo fa tia mampisy korontana ireo olona eo amin'ny fahefana.

2 – Bilaogera Iraniana miresaka momba ireo gadra politika sy i Kiordistan [4]: bilaogera maromaro monina any amin'ny firenen-tsamihafa toa an'ny Billy & me  [5]avy any Danemarka, Abas Marofi [6], mpanoratra avy any Alemaina, mpanao gazety FMSokhan [7] avy ao Iran no nanasonia taratasy momba ny toe-javatra misy ao Iran amin'izao fotoana izao. Amin'ny teny roa, antso ho an'ireo manam-pahaizana Iraniana, anisan'izany ireo bilaogera, mpanao gazety, mpanoratra sy vondrona politika mba handray andraikitra hamonjy ny firenena amin'ny toe-java-misy ankehitriny, ny famoretana ara-politika any an-tanindrazana sy ny krizy nokleary any ivelany  [8]izany. Mihevitra ireo mpanoratra fa tsy mitondra antsika mankaiza ny fiarovana henjana toy ny fanoratana fanangonan-tsonia … ary tsy maintsy mitady fomba vaovao isika. Rehefa avy nitsikera ny fitondrana Iraniana, anisan'izany ny Filoha sy ny Mpitarika, nanoro hevitra izy ireo fa tsy maintsy omena ny Iraniana ny fanantenana. Ho an'ireo mpanoratra, mety hampisy hazavana ho an'ny fiainana ny vaovao momba ny hetsika ara-kolontsaina. Nofintin'izy ireo fa mila vonjena i Iran ary noho izany, ilaina ny firaisankina sy hevitra vaovao. Araka ny filazan'izy ireo, ny fanohanana ny vahoakan'i Kiordistan sy ireo gadra politika no laharam-pahamehana amin'izao fotoana izao. Vakio bebe kokoa ao amin'ny Billy & Me. [5]