- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana Filoham-pirenena: Bilaogy sy Politika

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Chilean Elections

13 andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena isika izao. Isaky ny alina ao amin'ny fahitalavitra, manana safidy ara-dalàna mba hamoaka ny fampielezan-kevitr'izy ireo sy ny tolo-kevitr'izy ireo mandritra ny dimy minitra alohan'ny oran'ny vaovao, ao amin'ny fantsona misokatra rehetra, amin'ny fotoana mitovy ireo kandidà 4 avy amin'ny antoko na firaisana samihafa.

Misy efatra ireo mpifaninana, Michelle Bachelet [1], Tomás Hirsch [2] Joaquín Lavín [3] ary Sebastián Piñera [4].

Feno dokam-barotra ho an'ireo filoham-pirenena i Shily. Miharihary ireo tetikady ara-barotra rehetra, manana tranonkala ny kandidà rehetra, saingy tsy izy rehetra kosa no manana bilaogy manokana. País Digital [5], araka ny   efa nolazaina [6] no mampiantrano ny bilaogin'izy ireo ao amin'ny Presidential Blog Forum [7].

Sebastián Piñera, nanoratra [8] momba ny fijeriny, na mamaly ny fampahalalam-baovao momba ny vaovao mikasika ny tenany, na miresaka momba ny zavatra ataony amin'ny fampielezan-keviny. Nalefany tao amin'ny bilaoginy ny fanontaniana mifandraika amin'ny fanombanana ny fampielezan-keviny amin'ny fahitalavitra [9], naneho hevitra ny ankamaroan'ny olona fa tsy ampy ny fotoana hanehoana ireo olana amin'ny fomba lalindalina kokoa.

Ao amin'ny bilaogin’ [10]i Michelle Bachelet, misy ny lahatsoratra ho an'ireo vondron'olona mpanohana sy ny tenany momba ireo lohahevitra ara-politika lehibe indrindra.

Nanangana bilaogy [11] ho an'i Joaquín Lavín ireo mpanohana azy saingy tsy dia mahomby toy ny an'i Michelle Bachelet na Sebastián Piñera.

Raha hijery haingana momba ny tontolo ara-politika, tsindrio ato [12].