Fifidianana Filoham-pirenena: Bilaogy sy Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Chilean Elections

13 andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena isika izao. Isaky ny alina ao amin'ny fahitalavitra, manana safidy ara-dalàna mba hamoaka ny fampielezan-kevitr'izy ireo sy ny tolo-kevitr'izy ireo mandritra ny dimy minitra alohan'ny oran'ny vaovao, ao amin'ny fantsona misokatra rehetra, amin'ny fotoana mitovy ireo kandidà 4 avy amin'ny antoko na firaisana samihafa.

Misy efatra ireo mpifaninana, Michelle Bachelet, Tomás Hirsch Joaquín Lavín ary Sebastián Piñera.

Feno dokam-barotra ho an'ireo filoham-pirenena i Shily. Miharihary ireo tetikady ara-barotra rehetra, manana tranonkala ny kandidà rehetra, saingy tsy izy rehetra kosa no manana bilaogy manokana. País Digital, araka ny   efa nolazaina no mampiantrano ny bilaogin'izy ireo ao amin'ny Presidential Blog Forum.

Sebastián Piñera, nanoratra momba ny fijeriny, na mamaly ny fampahalalam-baovao momba ny vaovao mikasika ny tenany, na miresaka momba ny zavatra ataony amin'ny fampielezan-keviny. Nalefany tao amin'ny bilaoginy ny fanontaniana mifandraika amin'ny fanombanana ny fampielezan-keviny amin'ny fahitalavitra, naneho hevitra ny ankamaroan'ny olona fa tsy ampy ny fotoana hanehoana ireo olana amin'ny fomba lalindalina kokoa.

Ao amin'ny bilaogin’i Michelle Bachelet, misy ny lahatsoratra ho an'ireo vondron'olona mpanohana sy ny tenany momba ireo lohahevitra ara-politika lehibe indrindra.

Nanangana bilaogy ho an'i Joaquín Lavín ireo mpanohana azy saingy tsy dia mahomby toy ny an'i Michelle Bachelet na Sebastián Piñera.

Raha hijery haingana momba ny tontolo ara-politika, tsindrio ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.