Fitsidihana Vetivety An'i Shily

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Fomba tsara hanaovana fitsidihana virtoaly an'i Shily ny mahafantatra ireo bilaogy Shiliana momba ny sakafo, ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina.

Ao amin'ny La Buena Vida (ES) (“Ny fiainana tsara”), mamoaka lahatsoratra momba ireo trano fisakafoanana vaovao sy mangataka ny hevitr'ireo mpamaky momba ny toerana hahitana “Pisco Sour” tsara indrindra na “sandwich” tsara indrindra ao Santiago, renivohitr'i Shily i Alvaro.
Ho an'ireo mpankafy divay, manome vaovao sy fampahalalana momba ny divay Shiliana isan-karazany ao akaikin'ny tendrombohitra Andes ny Andes Wine, ary amin'ny teny Anglisy izany!

Ho an'ireo taranaka razambe Shiliana, nandefa ny ahiahiny mifandraika amin'ny politika sy ny fampianarana ireo bilaogera ao amin'ny Cultura Mapuche y Educación (ES) (Kolontsaina sy Fampianarana Mapuche). Eo amin'ny sehatry ny mozika, mitatitra vaovao momba ireo tarika ao amin'ny firenena, ny fitsidiham-paritr'izy ireo ary koa ny mozika iraisam-pirenena ny Super 45 (ES).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.