- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitodika Any Amin'ny Fampiasàna Tranonkala Ireo Iraniana Mpampita Vaovao Voaràra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2005)

Ny fitondràna Iraniana no tena mpampiroborobo mahay indrindra raha resaka tranonkala.

Ny ohatra farany indrindra dia i Massih (Masoumeh) Alinejad, parlemantera mpifandray amin'ilay gazety reformista izay noraràn'ny tao amin'ny antenimiera  [1]tamin'ny herinandron'ny 04 aprily noho ny korontana naterany ho an'ireo solombavambahoaka mpifikitra amin'ny nentin-drazana.

Marika 80 no nilaina hanilihana azy, izay nampivoitra ny nandraisan'ilay milaza ho matahotra an'Andriamanitra sy tia manampy olona tany an-katakonana ireo tombontsoa ara-bola ho toy ny fanomezana rehefa taombaovao sy taminà fotoana hafa koa. Na lazain'izy ireo aza noraràna izy noho ny toetrany “tsy mahalàla fomba sy sarotra iaraha-miaina”.

Nanana tranonkala izy anohizany ny famoahany misimisy kokoa momba ireo solombavambahoaka mpihatsara ivelan-tsihy.