(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2005)
Ny fitondràna Iraniana no tena mpampiroborobo mahay indrindra raha resaka tranonkala.
Ny ohatra farany indrindra dia i Massih (Masoumeh) Alinejad, parlemantera mpifandray amin'ilay gazety reformista izay noraràn'ny tao amin'ny antenimiera tamin'ny herinandron'ny 04 aprily noho ny korontana naterany ho an'ireo solombavambahoaka mpifikitra amin'ny nentin-drazana.
Marika 80 no nilaina hanilihana azy, izay nampivoitra ny nandraisan'ilay milaza ho matahotra an'Andriamanitra sy tia manampy olona tany an-katakonana ireo tombontsoa ara-bola ho toy ny fanomezana rehefa taombaovao sy taminà fotoana hafa koa. Na lazain'izy ireo aza noraràna izy noho ny toetrany “tsy mahalàla fomba sy sarotra iaraha-miaina”.
Nanana tranonkala izy anohizany ny famoahany misimisy kokoa momba ireo solombavambahoaka mpihatsara ivelan-tsihy.