Bitsibitsika Afghana (Janoary 2006)

(Marihana fa efa nivoaka tamin'ny volana Janoary 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nilaza ny Afghan Reality  fa araka ny fanadihadiana iray navoakan'ny WorldPublicOpinion.org, mihevitra ny 83 isan-jaton'ireo namaly fa misosa tsara araka ny tokony izy ny zava-drehetra ao amin'ny firenena  Nanampy ilay bilaogera hoe:

“Two imporant considerations must be taken into stock: a greater need for labour intensive programs to tackle the ‘opium economy’ in the war-shattered nation and a long-term commitment by the international community to keep these dreams alive.”

Fiheverana roa manan-danja no tsy maintsy dinihana: ny filàna lehibe ho an'ny fandaharan'asa goavana momba ny asa tanana mba hiatrehana ny ‘toekarena fandemena saina’ ao amin'ny firenena ravan'ny ady sy ny fahavononan'ny fiarahamonina iraisam-pirenena handray andraikitra maharitra mba hamelona ireo nofinofy ireo.”

Nitatitra ny Afghan Lord fa niampanga ireo manampahefana sasany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Kabul ho tafiditra tamin'ny trafikana zava-mahadomelina ny minisitra lefitry ny atitany miady amin'ny zava mahadomelina, ny Jeneraly Mohammad Daud. Manoratra ilay bilaogera hoe:

“In this regards, he address that recently four policemen with 500kg of contraband were arrested in an airport of the country. Eighteen drug smugglers including Nigerian Nationals which were recently detained with drug by police in Kabul Airport”.

“Mikasika izany, nilaza izy fa mpitandro filaminana efatra niaraka tamin'ny entana an-tsokosoko 500kg no voasambotra vao haingana tao amin'ny seranam-piaramanidina tao amin'ny firenena. Mpampiditra rongony an-tsokosoko miisa 18, anisan'izany ireo teratany Nizeriana no notànan'ny polisy niaraka tamin'ny rongony tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Kabul .”

Bilaogy mahavariana ny Afghan Local Radio izay ahitana taratasy nalefa ho an'ny onjam-peo manerana ny firenena. Noho i Agathe Dalisson & John West avy ao amin'ny Internews. Nahita ity bilaogy ity aho. Mampahafantatra antsika ny Afghan Local Radio:

“Contrary to TV and print media, it is nearly accessible to all in terms of cost and coverage. Even the uneducated can switch it on, listen and feel integrated into the new emerging Afghan society. Radio, thus, incites participation and may on the long term be able to create conditions for a more democratic society”.

“Mifanohitra amin'ny fahitalavitra sy ny gazety, saika azon'ny rehetra idirana eo amin'ny resaka sanda sy ny fitateram-baovao izy. Na ny tsy nianatra aza dia afaka manova, mihaino izany sy mahatsapa ho tafiditra anaty fiarahamonina Afgana vaovao. Miteraka fandraisana anjara ny Radio ary mety ho afaka mametraka fepetra mandritra ny fotoana maharitra hisian'ny fiarahamonina demaokratika kokoa. “

Misy ireo taratasy sasany nosoratana mba hampahafantatra, ny sasany tononkalo, ary ny sasany dia tantara fotsiny. Miresaka momba ny vanja milevina ny iray amin'ireo taratasy. Avy amin'ny tanàna lavitra iray izay mbola misy vanja milevina tsy voaisotra ny mpanoratra iray. Te-hampitandrina ireo Afghana hafa momba ireo vanja milevina izay mety amin'ny endrika samihafa toy ny lolo sy baoritra ity mpanoratra Afghana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.