Bitsibitsika Afghana (Taliban & Sekoly)

(Fanamarihana: efa tamin'ny Janoary 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy  )

Taliban & Sekoly: Efa mahazatra ny fahitana ireo vehivavy sy tovovavy Afgana iharan'ny herisetran'ny Taliban, izay lavina tamin'izy ireo mihitsy ny zo handeha hianatra. Nanome fahafahana ho an'ny tovovavy mba hiverina an-tsekoly ny governemantan'ny filoha Karzai saingy mbola miezaka manakana ny antsasaky ny vahoaka Afghana tsy hianatra mamaky teny sy manoratra ny Taliban. Araka ny nolazain'ny Afghanistan Warrior izay nitatitra momba ny 22 Desambra.

The enemies of peace and stability killed a teacher in front of the school students in southern Helmand province last Thursady by the Taliban insurgents after he ignored their orders to stop teaching girls. In my opinion the Taliban realized that they can not stop female education by burning the girls school so now they are cowardly killing the innocent teachers so no teacher teachs in the girls school. But our brave teachers will continue their teaching despite the enemy's threats.

Namono mpampianatra iray teo anoloan'ny mpianatra tao amin'ny faritra atsimon'i Helmand ireo fahavalon'ny fandriampahalemana sy ny filaminana avy amin'ireo mpikomy Taliban tamin'ny Alakamisy rehefa tsy niraharaha ny baikon'izy ireo hampitsahatra ny fampianarana  tovovavy. Araka ny hevitro, nahatsapa ny Taliban  fa tsy afaka mampiato ny fampianarana ny tovovavy amin'ny fandoroana ny sekolin-jazavavy izy ireo ka ankehitriny, mamono ireo mpampianatra tsy manan-tsiny izy ireo amin'izay tsy misy mpampianatra mampianatra ao amin'ny sekolin'ny tovovavy. Saingy hanohy ny fampianarany ireo mpampianatra maherifontsika na dia eo aza ny fandrahonan'ireo fahavalo.

Fampahalalam-baovao eo ambanin'ny fandrahonana: Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, gazetiboky sy gazety maromaro manana hevitra samy hafa no teraka. Indrisy anefa, nenjehina vao haingana teo ireo mpanonta sy ny mpanao gazety. Nitatitra momba ny famotsorana ny iray tamin'ireo mpanao gazety ny Afghan Press Blog.

“an Afghan appeal court on Wednesday reduced to six months a two-year sentence handed to a women's magazine editor convicted of blasphemy in a trial that prompted an outcry from international media groups. Ali Mohaqiq Nasab, editor of the Haqoq-e-Zan (Women's Rights) monthly, was jailed in October and convicted and sentenced weeks later, with conservative Islamic clerics demanding the death penalty”.

“Nampidinin'ny fitsarana ambony Afghana tamin'ny Alarobia ho enim-bolana an-tranomaizina raha tokony ho herintaona ny sazin'ilay tonian-dahatsoratry ny gazetibokim-behivavy iray voaheloka noho ny fitenenan-dratsy tao amin'ny fitsarana, izay niteraka tabataba teo amin'ny vondrona media iraisam-pirenena. Nogadraina tamin'ny volana Oktobra i Ali Mohaqiq Nasab, tonian-dahatsoratry ny Haqoq-e-Zan ( Zon'ny vehivavy) mpivoaka isam-bolana, izay voaheloka sy nahazo sazy herinandro vitsy taty aoriana, mitaky ny fanamelohana ho faty azy ireo mpitondra fivavahana Islamika mpandala ny nentin-drazana  “.

Firenena Afgana sy ny Parlemanta: Goftego , nosoratan'ilay mpikambana ao amin'ny vondrona ara-poko Hazara, kosa nilaza fa iray tamin'ireo tompon'andraikitra tamin'ny vono olona hazara tany Kabul i Yunus Qanuni, iray tamin'ireo mpanohitra matanjaka indrindra an'i Karzai nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena, avy amin'ny foko Tajik izay lasa filohan'ny Parlemanta vao haingana.

Farzande ahan, (zanakalahin'ny vy), bilaogera Hazara hafa indray miresaka momba an'i Mohaghegh, mpitarika Hazara izay nanohana ny kandidà filoha Karzai . Amin'ny fanohanany azy, te hiaro ny zo sy ny toeran'ny Hazara izy, na dia tsy lasa filohan'ny Antenimiera Afganistana aza ity kandidà ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.