Fanasana Manokana Ho An'ny Vondrom-piarahamonina Lingua Avy Amin'ny Rising Voices: Manorata Momba Ny Famelomana Indray Ny Fiteny!

Sary avy amin'i Alexander Svensson ary nampiasàna lisansa CC BY-NC 2.0

Ry Vondrom-piarahamonina Lingua,

Araka ny mety ho efa fantatrareo, miasa amin'ny fanohanana ireo vondrom-piarahamonina amin'ny alàlan'ny fanatsarana ny aterineto ho fampiroboroboana sy ho fanarenana ireo fiteny tandindonin-doza, tompotany, vitsy an'isa, na nolovaina manerantany ny Rising Voices . Amin'ny alàlan'ny fanasongadinana ny tetikasa, fitaovana mahaliana na olona ao amin'ny bilaogin-dahatsoratra izay navoaka ao amin'ny Global Voices ny iray amin'ireo fomba hanomezana ity fanohanana ity .

Nahita tetikasa maro dia maro tokoa izay tsara hasongadina izahay ato amin'ny GV, kanefa tsy afaka ny hanoratra izany rehetra izany izahay. Ity dia fanasana ho an'ireo mpandika teny Lingua izay liana amin'ny fomba hanampian'ny aterineto ny fiarovana ireo fiteny tsy fahita firy, amin'ny alàlan'ny fanoratana “lahatsoratra fohy” (teny miisa 150-300) momba ireo tetikasa ireo, na olana mifandraika amin'ny famelomana indray ny fiteny amin'ny alalan'ny teknolojia.

Raha liana ianao na raha manana fanontaniana, dia manorata amiko amin'ny eddie [@] globalvoices [teboka] org.

Here is an example of a Rising Voices “short” post (although non-language-related) – Wikimujeres Wants More Women Editors to Fix Wikipedia's Gender

Indro misy ohatra iray amin'ny lahatsoratra “fohy” ao amin'ny Rising Voices (na dia tsy mifandraika amin'ny fiteny aza): Mila Vehivavy Mpanitsy Maro Kokoa Ny Wikimujeres Mba Hampifandanjana Ny Isan'ny Lahy Sy Ny Vavy Ao Amin'ny Wikipedia [mg].

Nahatonga ny vondrom-piarahamonintsika ho tontolo amin'ny fiteny samihafa ny fandraisanao anjara amin'ny maha mpandika teny GV anao izay liana amin'ny fiteny ary mankalaza ny maha-zava-dehibe ny aterineto amin'ny fiteny isankarazany!

Misaotra anao!

Mikatona ny famoahana hevitra