- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miblaogy Am-pitoniana

Sokajy: Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2005)How_tor_works_thumb [1]

Isaorana i Curt Hopkins ao amin'ny  Kaomity ho fiarovana ireo bilaogera [2] tamin'ny nanamarihany ny namoahan'ny  Electronic Frontier Foundation [3] ny torolàlana :Ahoana no hanoratana bilaogy am-pitoniana. [4]

Raha maro amin'ireo sosokevitra no mifantoka amin'izay fomba hatao hisorohana ny fandroahana ao anatin'ny tontolo amerikàna sy eoropeàna tandrefana, dia resahan'ilay antotan-kevitra ihany koa ny olana momba ny fomba hanoratana bilaogy avy any amin'ireo firenena izay mety hiteraka olana maro ho anao.

Hita anatin'ireo rohy ilaina ny tranonkala Tor an'ny EFF,  [5]toerana ahafahanao mianatra momba ny “onion routing [1].” Manana Wiki teknika [6]ny tranonkala Tor, ka ao no afaka mifanampy ireo mpampiasa tsirairay an'io fitaovana io.

Manana hevitra lalindalina kokoa na sosokevitra mba hanoratana am-pitoniana ny bilaogy ve? Aza misalasala miditra amin'ny faritra natao ho an'ny fanehoankevitra etsy ambanin'ity lahatsoratra ity dia mizara azy ireny.