Ny Fomba Fijerin'ny Bilaogera Momba Ny Fetiben'ny Sarimihetsika Sanfic Tao Shily

(Marihina fa tamin'ny 11 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

sanfic

Fetiben'ny sarimihetsika iraisam-pirenena ao Santiago ny Sanfic izay natao tamin'ny faha-8 ka hatramin'ny faha 12-n'ny volana Aogositra. Nandray anjara tamin'ny fampirantiana ny firenena avy amin'izao tontolo izao, toa an'i Filipina, Kanada, Frantsa, Alemana, Thailandy, Meksika ary ny maro hafa. Hita tamin'izany ny famokarana maherin'ny 100. Taona faharoan'ny fetibe ity natao ity, ary nanjary lasa nalaza be.

Namoaka lahatsoratra momba ny fahafahana nanao ny karazana fetibe toy izany i Penelope Glamour, tao amin'ny  Zancadas (ES):

Regarding independent films, always is novel to see these movies that, because of cultural and political reasons, don’t arrive to our country we end up missing a good amount of non-commercial films.”

Momba ny sarimihetsika mahaleotena, vaovao foana ny mijery ireo sarimihetsika izay, noho ny antony ara-kolontsaina sy ara-politika, tsy tonga eto amin'ny firenentsika, ary tsy nahita sarimihetsika tsy ara-barotra maro isika. “

Nanoratra ny antsafa iray niarahana tamin'ny talen'ny Fetibe, Carlos Núñez tao amin'ny bilaoginy i Daniel Olave (ES) momba ny fahasarotana mikasika ny fanatontosana ny fetiben'ny sarimihetsika mahaleotena. Nanamafy izy tao amin'ny teniny :

They closed the doors. They asked them ‘where are you from? Who do you think you are? A lot of times it was planned to do an important film festival in Santiago, but that haven’t come about. Because of this, no one believes in two young people, who where unknown in the local film “scene” could execute the ambitious project to give to the city of Santiago the film festival that was missing”

Nakaton'izy ireo ny varavarana. Nanontany azy ireo izy ireo hoe: “Avy aiza ianareo? Iza no ilazanareo ny tenanareo? Efa im-betsaka no nokasaina hatao ny fetiben'ny sarimihetsika tao Santiago, saingy tsy tanteraka izany. Noho izany, tsy nisy olona nino nisy tanora roa, izay tsy fantatra teo amin'ny “sehatry” ny sarimihetsika tao an-toerana”, afaka nanatontosa tetikasa goavana mba hanomezana ny tanàndehiben'i Santiago ny fetiben'ny sarimihetsika banga.

Ny  “The Daughter of the General” ( Ny Zanakavavin'ny Jeneraly) no iray amin'ireo sarimihetsika Shiliana nandray anjara , fanadihadiana iray momba ny filoha vaovao Shiliana,  Michelle Bachelet izy io. Nanoratra ny fomba fijeriny momba ny sarimihetsika i Ideas Públicas (ES):

This documentary is a private view into the biography of a woman, which tries to explain all the complexities of the human being through a deep search into her past.

Fomba fijery manokana momba ny tantaram-piainan'ny vehivavy iray ity fanadihadiana ity, izay niezaka nanazava ny zava-tsarotra rehetra momba ny olombelona tamin'ny alalan'ny fikarohana lalina tamin'ny lasany.

Nandefa lahatsoratra momba ny sarimihetsika izay efa hitany (Amin'ny teny Espaniôla ny ankamaroany) i Analizame (ES) bilaogin-tsarimihetsika , ary koa ireo vaovao tsara ho an'ireo mpiondana sarimihetsika:

I didn’t know … I don’t know if this was something that had always been planned this way or just happens all of a sudden. Sanfic has a lot of free movies every day, more than 40 showing”.

Tsy nahalala aho … Tsy fantatro raha zavatra efa nomanina hatrany izany na nitranga tampoka. Manana sarimihetsika maimaim-poana isan'andro ny Sanfic, misy ny fandefasana sarimihetsika  mihoatra ny 40 “.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.