Community Fabric (Tambatselam-piarahamonina)

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny volana Aprily 2005

Vao avy nametraka tamin'ny toerany, niaraka tamin'ireo namako vitsivitsy, ny wiki ho an'ny tetikasa vaovao loharano iray misokatra atao hoe Community Fabric aho (avy amin'ny fantsona “joiito freenode IRC”). Ny hevitra dia ny mba hahafahan'ireo olona mitrandraka ireo fitaovana misy amin'ny tambajotra sosialy , mba hanaovana blaogy, hametrahana tsoratadidy, hiarahana miasa sy handefasana ireo sary avy any anatin'ny tontolom-piarahamonina iray andraisan'ny rehetra anjara sy mora ampiasaina.

Tena manantena aho fa afaka hamafa ireo hidihidy sasantsasany ato amin'ny Global Voices io rindrambaiko io, hanome fahafahana an'ireo olona kely fahalalàna mikasika ny solosaina ka mba ho afaka handefa sy handray anjara amin'ireo adihevitra sy vondrom-piarahamonina an-tserasera izy ireny. Saingy mba  hahatanteraka izany, dia ilainay ireo teknisiana manana traikefa sy afaka hamadika ny fijery ho tena izy isika!

Koa raha toa ka ianao no izy, tongava ato anaty wiki, na araho eo amin'ny fantsona IRC an'i joiito aho (weaverluke), dia miresaka isika…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.