- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampahafantarana ny Tsunami-Info.org

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2005)

Miarahaba ny rehetra…. Manana ny anaran-tsehatra azy manokana ny vohikalako “tsunami info” ankehitriny: Tsunami-Info.org [1].

Manambatra ireo tosa-baovao sy bilaogy avy aminà loharano samihafa manerana izao tontolo izao ity vohikala ity, ary manome dikateny novokarinà milina, amin'ny fiteny maherin'ny enina. Isan'ireo tosaka voaray anatin'ny famintinana ny fandrakofan'ny Yahoo!/Reuters ny tondradrano, ny BBC, ny bilaogy “South-East Asia and Tsunami” (SEA EAT), ny bilaogy Crossroads Dispatches and Emergency Action. Avy ao amin'ny tosa-baovao Flickr an'ny SEA EAT ny vaovao tena nampihetsi-po indrindra: fandefasana ireo sary sy ny mombamomba ireo olona mbola tsy hita noho ny tondradrano. Mampangoritsina ahy izany isaky ny mahita azy ireo aho. Raha te hanampy tosa-baovao hafa ianao, ampahafantaro ahy izany….

ANDY