- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Iraniana Miresaka Momba Ny Andro Manerantany Ho An'ny Vehivavy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Saripika, Vehivavy sy Miralenta

(Marihana fa efa tamin'ny volana Martsa taona 2008 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Voaràra mafy nandritra ny roa taona ny zon'ny vehivavy tao Iran. Nogadraina ireo vehivavy mpikatroka [1] sasany, ary voaràra ny Zanan Magazine [2], gazetiboky malaza momba ny vehivavy. Maro koa ireo hafa niharan'ny herisetran'ny mpitandro ny filaminana [3] noho ny fomba fiakanjon'izy ireo.

Tsy mankasitraka ny 8 martsa ho ny andro manerantany ho an'ny Vehivavy ny governemanta Iraniana ary tsy misy fankalazana ofisialy.

Na dia eo aza ny zava-tsarotra goavana, mbola manohy ny fandrosoan’ izy ireo eo amin'ny sehatra maro ny vehivavy Iraniana ary nanohana ireo vehivavy mpikatroka namany nigadra ny mpikatroka.

Volana vitsy lasa izay, Kosoof, bilaogera an-tsary malaza, namoaka [4] sary sasantsasany mampiseho ny hetsika firaisankinan'ny vehivavy ho an'ireo mpikatroka roa voasambotra. Bilaogera, vehivavy sy lehilahy maro no nahatsiaro ity andro ity ary nizara ny eritreriny sy ny fihetseham-pony momba ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina Iraniana.

Asieh Amini, mpikatroky ny fitovian-jon'ny vehivavy, nilaza [5] fa andron'ny fanoherana ireo fanavakavahana rehetra mihatra amin'ny vehivavy ny andron'ny 8 marsa .

Freekeyboard koa nilaza fa mahatonga azy hampitaha [6] ny nofinofiny amin'ny zava-misy ny 8 Martsa. Hoy izy:

kosoofkh.jpg

It is not my March 8. In my March 8 people would be happy and I would dance in the streets. On March 8 there would be no difference between man or woman, all people are equal because all are human beings. In the March 8 that I like, there are no cops to repress. Men and women are happy and dancing. No woman shouts we want equal rights… this March 8 is not here, but only in my mind, and in my dream.

Tsy 8 Martsa-ko ity. Amin'ny 8 Martsa-ko, faly ny olona ary handihy eny an-dalambe aho. Amin'ny 8 Martsa, tsy misy ny fahasamihafana eo amin'ny lehilahy na ny vehivavy, mitovy daholo ny olona rehetra satria olombelona avokoa. Amin'ny 8 Martsa izay tiako, tsy misy ny polisy manasazy. Faly ny lehilahy sy ny vehivavy ary mandihy. Tsy misy vehivavy hitabataba fa mila zo mitovy izy ireo… Tsy eto izany 8 martsa izany, fa ao an-tsaiko ihany, ary amin'ny nofiko.

Nilaza koa ity bilaogera ity fa amin'ny 8 Martsa-ny, tsy alefa any am-ponja ny vehivavy satria mangataka amin'ny olona mba hanasonia fanangonan-tsonia ho amin'ny fitovian-jòn'ny lahy sy ny vavy.

Ny Fikambanan'ny bilaogera Iraniana, Penlog, nilaza [7] tamin'ny fanambarana, fa heverin'ny lalànan'ny Repoblika Islamika toy ny olom-pirenena sokajy faharoa ny vehivavy Iraniana. Na dia eo aza ny faneriterena sy ny fanavakavahana rehetra, manohy ny fisiany ao anatin'ny sehatra arak'asa rehetra ny vehivavy Iraniana.

Z8un namoaka  [8]sary maromaro misy ireo vehivavy miasa.

Maryam Majd, bilaogera sady mpaka sary, namoaka [9] sary maromaro mampiseho vehivavy Iraniana mandray anjara amin'ny fanatanjahantena samihafa. Nasehony ato anatin'ity andian-tsary ity  [10]ny asa sy olan'ny vehivavy Iraniana.