- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanehoan-kevitra Momba Ny Lahatsary Nisy Mariazin'ny “Mpanjaka” Birmana

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 6 Novambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Navoaka antserasera [1] tamin'ny herinandro ny horonantsary iray avy amin'ny lahatsary tafaporitsaka momba ny fampakaram-badin'ny zanaka vavin'ny Jeneraly Than Shwe [2] , mpitondra miaramila ao Myanmar (Birmania) . Tohina tamin'ny fampisehoana ny fandanian-karena mihoapampana ireo olona nahita ilay horonantsary .

https://youtube.com/watch?v=RvqXBDtBPQI

Nanoratra ilay bilaogera ao Myanmar Myouez tao amin'ny Blog of Nyen Chan Yar [3].

People of Myanmar want to watch that video because we want to see how dictator Than Shwe and his family is wasting country’s money as their own wealth and how they were accepting bribe as “wedding gift”.

Te hahita ity lahatsary ity ny Vahoaka ao Myanmar satria tianay ho hita ny fomba fandanian'ny mpanao didy jadona Than Shwe sy ny fianakaviany ny volan'ny firenena ho toy ny haren'izy ireo manokana sy ny fomba nandraisany tsolotra ho “fanomezana mariazy”.

Namintina ny antony nahatonga ny olom-pirenena tsotra ao Myanmar [4] ho tezitra i Bhojman .

The lavishness of the event is in stark contrast to the poverty and suffering being endured by most of the country. If it's true the couple received $5o million worth of wedding gifts then I am truly distressed.n Most do not earn enough to even feed their families, minority groups are continually on the run from the Burmese military, their crops and homes destroyed, their women raped and many forced into slave labour to build roads or be porters for the military.

Tena mifanohitra tanteraka amin'ny fahantrana sy ny fijaliana atrehin'ny ankamaroan'ny olona ao amin'ny firenena ny rendrarendra tamin'ity lanonana ity. Raha marina tokoa fa nahazo fanomezana mariazy mitentina 5 tapitrisa dôlara ny mpanambady dia tena malahelo tokoa aho. Tsy mahavelona ny fianakaviany akory ny vola raisin'ny ankamaroan'ny olona anefa , mbola mandositra ny miaramila Birmana ireo vondron'olona vitsy an'isa, nopotehina ny fambolena sy ny fonenan'izy ireo, novetavetaina ireo vehivavy ary maro no noterena hanao asa an-terivozona hananganana lalana na natao mpitondra entan'ny miaramila.

Nanontany tena i Nicholas Farrelly tao amin'ny bilaogy New Mandala raha toa ka nisy ny firaisana tsikombakomba ara-politika [5] tao ambadik'ilay lahatsary tafapotitsaka.

Real questions remain about the video’s appearance on the Internet, and its relationship to power politics within the Burmese regime’s inner-circle. If anybody has any potential answers, don’t be shy about posting comments. It would be great to get some discussion going on Burma’s military elite and the implications of this video.

Ny momba ny nisehoan'ny lahatsary tao amin'ny Aterineto no tena fanontaniana mipetraka, sy ny fifandraisan'izany tamin'ny mpitondra politika eo anivon'ny fitondrana Birmana. Aza menatra mametraka fanehoan-kevitra raha misy olona manana valiny manan-danja. Tsara ny hifanakalozan-kevitra momba ireo miaramila sangany ao Birmania sy ny vokatr'ity lahatsary ity.