- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tafaverina An-Tserasera ao Iran Ankehitriny ny Tranonkalam-Pihainoana Hira Soundcloud sy Spotify

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Efa azo idirana ao Iran ankehitriny ny tranonkalam-pihainoana hira mivantana an-tserasera Soundcloud sy Spotify. Pikantsarin'ny fantson-kira iray miorina ao Teheran antsoina hoe “Iran Music”.

Feno lahatsoratra fankalazana ny media sosialy Iraniana hatramin'ny nanokafana tampoka ny tolo-draharaha fihainoana hira mivantana antseraserany Soundcloud sy ny Spotify tamin'ny 17 Oktobra.

Ny tranonkalam-baovao teknika Iraniana Digiato no nitatitra [1] ny vaovao tamin'ny 18 Oktobra, mamariparitra ny fiovana ho lalana lehibe ho an'ny fiaraha-monin-kira iraniana.

شکی نیست که رفع فیلتر این سرویس محبوب می تواند خبر خوشحال کننده ای برای هنرمندان و فعالان عرصه موسیقی در ایران باشد.

Tsy isalasalana fa vaovao nandrasan'ny artista sy ireo mavitrika ao amin'ny fiarahamonin'ny mozika ao Iran izao fanokafana ny sivana amin'ity servisy malaza ity.

Tamin'io andro io ihany anefa, nitatitra ny mpisera [2] fa mbola tsy azo nidirana any amin'ireo mpanome tolotra fifandraisandavitra sasantsasany ny fampihatra findain'ireo sehatra ireo.

Saingy mbola tsy afa-mampiasa Spotify ny Iraniana

Tsy dia nisy lanjany loatra ho an'ireo heverina ho mpiseran'ny Spotify ny fiovana, fa mbola tsy afa-misoratra anarana amin'ny tranonkala, noho ny fitsipika anatin'ny vondron'orinasa Spotify, izay mandrara ankarihary ny iraniana tsy hampiasa ny servisiny. Mbola tsy nanazava amin'ny fomba ofisialy ny anton'io fitsipika io.

Amin'ny pikantsary eto ambany, nanazava tao amin'ny diniky ny fiarahamonina Spotify [3] ny mpisera iray fa notampenana vao haingana ny fahafahany miditra amin'izany, eny fa nadia avy ao Etazonia aza ny nanaovany fisoratana anarana.

Pikantsarin'ny mpisera Spotify iray manontany ny antony nanampenana ny kaontiny ao Iran, na dia nisoratra anarana tao Etazonia aza izy.

Fa naninona no novahana ireo tranonkala ireo?

Tsy nanambara ny heviny amin'ny nanokafana tampoka ireo sehatry ny mozika ireo ny governemanta. Nihevitra ny Iraniana sasantsasany fa fahadisoana nataon'ny mpanao fanampenam-bava ao Iran io fanokafana io.

Izany eo ihany fa mbola mieritreritra hatrany aho fa nisy fahadisoana tamin'ity raharaha #soundcloud sy #spotify ity ka tsy hoela dia ho voasivana indray. :-/

Ny hafa indray mandika ny hetsika ho ezaka niniana natao hanalefaka ny fandrarana votoaty aterineto.

Nisaotra ny minisitra vaovaon'ny TIC, Azari Jahromi, tamin'ny fanapahan-kevitra hahatonga ireo sehatra ireo ho azo idirana indray ny blaogera Pooria Asteraky.

Tsy fanalana hidy tsotra izao fanalana ny hidin'ny #soundcloud sy #spotify izao, fahafahan'ny feo izao?????. Misaotra betsaka ry @azarijahromi [12] #TwitterForIran

Efa nilaza ny fikasany hamaha tranokala bebe kokoa ho an'ny Iraniana i Jahromi talohaloha tany. Efa notabatabainy ihany koa ny hanalana hidy ny Twitter sy ny YouTube, ary efa nilaza sompirana [13] izy fa efa mazoto ny “hifampiraharaha” amin'ny hametrahana drafitra hamahana ny Twitter ny governemanta. Mbola tsy tafita aloha izany izao.