- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mametra Ny Fivarotana Trano i Shina, Mifanaraka Amin'ny Filàn'ny Vahoaka Ve Izany?

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
[1]

Sary avy amin'ny Xinhua.net an'ny fanjakana.

Mba hampangatsiatsiaka ny tsenan'ny tany aman-trano mafana loatra, nandràra ny fivarotana indray ireo efi-trano mandritra ny roa hatramin'ny dimy taona taorian'ny fividianana izany ireo tanàna 50 mahery [2] ao Shina.

Nampidirina voalohany tamin'ny volana Aprily 2017 ny famerana, ahitana indrindra ireo tanàna [3] miisa 14 ambaratonga voalohany sy faharoa. Na izany aza, ny fanambarana farany tamin'ny 22 sy 25 septambra dia niitatra tamin'ny famerana ireo tanàna ambaratonga fahatelo na fahaefatra koa.

Satria ampiasaina hanasokajiana ireo tanàna Shinoa ny rafitra ambaratongan-tanàna mba hamolavolana sy handrafetana paikady ara-toekarena sy ara-politika mifototra amin'ny fitondrantenan'ny mpanjifa eo an-toerana, ny fidiram-bola, ny politika ary ny fironana eo an-toerana. Ny fampiharana ny famerana ny fividianan-trano any amin'ny ambaratongan-tanàna (efatra) rehetra dia milaza fa paikadim-pirenena amin'ny fiadiana amin'ny fiakaram-bidin'ny tany aman-trano izany.

Raha nilaza [4] ireo mpaneho hevitra mpomba ny governemanta fa hanery ireo mpitady tombontsoa mba handao ny tsenan'ny tany aman-trano ny politika, ny sasany kosa nampiseho fisalasalana momba izany ary nampitandrina fa hampihena ny tolotra eny an-tsena sy hanakana ny sandan'ny tany aman-trano tsy hidina ny fampiatoana ny varotra

Mandritra izany, bilaogera malaza momba ny vaovao ara-toekarena Shi Han Bing nanamarika tamin'ny lahatsoratra bilaogy be mpizara [5] fa momba ny fiarovana ny rafitra ara-bola ao amin'ny firenena kokoa ny anton'ny famerana fivarotana trano:

由于流动性的冻结,房价的波动区间也被人为锁定,这对于保护银行很重要——2017年6月末,人民币房地产贷款余额29.72万亿元,如果房价大幅度下跌,导致抵押品价值缩水,那么,就会损及银行利益,甚至,威胁到中国的金融安全。而此时冻结楼市流动性,等于让买房者在高位“承包”了风险,担当了共和国的金融卫士。

Nampihitsoka ny fiovaovan'ny vidin-trano eny an-tsena ihany koa ny fampiatoana ny fahabetsahan'ny tsenan'ny tany aman-trano. Fanapahan-kevitra lehibe izany mba hiarovana ny banky – nahatratra 2972 miliara yuan RMB [eo ho eo amin'ny 447,8 miliara dolara Amerikana] ny totalin'ny fanaovana antoka amin'ny tany aman-trano tamin'ny volana jona 2017. Raha midina tampoka ny vidin'ny trano aman-tany, mihena be ihany koa ny sandan'ny fiantohana, ho voa mafy ny banky ary tandindomin-doza ihany koa fiarovana ara-bola an'i Shina. Namindra ny loza tany amin'ireo nividy trano amin'ny taha ambony ny fampiatoana ny fahabetsahan'ny tsenan'ny tany aman-trano ary ho lasa vondron'olona miaro ny rafitra ara-bola izy ireo.

Nanazava ihany koa ilay bilaogera fa arovan'ilay politika ny tombontsoan'ny governemanta ifotony :

冻结流动性的房产,对于保护地方政府也很重要,首先,地方政府该变现的都已经完成了变现——无论是卖地收入,还是各种税费收入,都已经悉数入库;其次,冻结这部分已经实现“利润”的房产流动性后,有刚性需求的人就只能去买一手房,从而继续帮助地方政府实现卖地收入与各种税费收入…

Voalohany, efa nampirina ny vola azo tamin'ny fivarotana tany sy ny hetra hanaovan'izy ireo fidiram-bola ny governemanta eny ifotony; Faharoa, taorian'ny fampiatoana ny fivarotana trano “ahazoana tombontsoa ara-bola”, hividy trano [mivantana] ireo izay tena mila izany, izay midika fa mbola afaka mivarotra tany sy manangona hetra ny governemanta:

Ny politikan'ny Tahiry Federaly ao Etazonia dia manana andraikitra amin'ny fanapahan-kevitr'i Shina hametra ny fivarotana trano aman-tany, hoy ihany koa ilay bilaogera hoe:

美国东部时间9月20日,美联储主席耶伦宣布将从10月开始缩减其数万亿美元的资产负债表(简称“缩表”)。缩表以后,全球资本加速回流美国,对中国的外汇储备构成新的威胁。在这种情况下,冻结楼市的流动性,就使得相当大的资金无法兑现,更无法兑换外汇。因此,我们看到,9月20日,美联储主席耶伦宣布缩表,9月22日,中国就开始了如火如荼的以冻结流动性为目的的调控措施出笼。

Nanambara i Yellen, lehiben'ny Tahiry Federaly Amerikana  [6]tamin'ny 20 Septambra fa hanomboka hampihena ny tombam-bokany amin'arivony miliara maro ny andry amin'ny volana Oktobra. Hanintona renivola manerantany ho any Etazonia ny fanapahan-kevitra ary hametraka fandrahonana vaovao ho an'ny tahirim-bola vahiny any Shina. Hampitsahatra ny famoahana vola amin'ny tany aman-trano sy ny fitobahan'ny vola vahiny ny fampiatoana ny fitobahan'ny tsenan'ny trano aman-tany. Avy amin'izany no ahitantsika an'i Yellen nanambara ny fampihenana ‘ny tombam-bokatra tamin'ny 20 septambra ary nanao fanambarana haingana momba ny fanitarana ny fampiatoana ny fivarotana amin'ny tsenan'ny tany aman-trano manerana ny firenena indray i Shina  tamin'ny 22 Septambra.

Ny fahamarinan-toeran'ny fihariana trano aman-tany sy ny rafitra ara-bola no laharam-pahamehana ho an'ny mpitarika ny antoko alohan'ny hizoran'ny Kongresin'ny Antoko Komonista (indroa isaky ny folo taona) izay hanomboka amin'ny 18 Oktobra. Tamin'ny volana Aogositra, nisy manampahefana ambony iray nilaza fa voatohintohin'ny endrika fanararaotan'ny mpandraharaha momba ny tany aman-trano ny toekarena ao an-toerana. Nilaza koa ny  manampahefana fa “naka an-keriny”  [7]ireo ivon-toerana ara-bola ny fandrahonan'ny tontolon'ny fivarotana tany aman-trano iray.

Saingy namaly tamin'ny tsy fitokisana sy fahatezerana tao amin'ny sehatra media sosialy toy ny Weibo ny mpiserasera. Betsaka no mihevitra fa mahatonga fiakaram-bidy ny famerana ny varotra tany aman-trano ary tsy mazoto hamela ny vidiny hihena ny mpitondra fanjakana.

Iray amin'ireo tanàna voalohany nampidirana ny famerana fivarotana trano tamin'ny volana Aprily 2017 i Hangzhou ary nahamarika ireo mpiserasera fa tsy misy fiantraikany amin'ny fampangatsiahana ny tsena ilay politika:

参考杭州,越限房价越高,新楼盘还得靠抢才能买到。调控是缓慢调高房价的意思吗?

Jereo ny tsenan'ny tany aman-trano ao Hangzhou, vao mainka nampitombo ny vidin'ny trano ny famerana goavana amin'ny fivarotana trano. Mividy efitrano vaovao ny mpividy. Midika fiakaran'ny vidin-trano tsikelikely ve ny fanitsiana?

不对存量征税,只对欺负增量。真当我们傻是不是。

Mampihena ny fahabetsahan'ny tolotra eo amin'ny tsena fotsiny ny governemanta raha tokony haka hetra amin'ny tahiry. Fitahanareo ve ny vahoaka?

这明显是在保房价

Miharihary fa miaro ny halafon'ny vidin'ny trano ny famerana vaovao.

Nisy ireo nanao fanamarihana maneso, tahaka ity iray ity:

终身为房奴,为国家打工这不就是社会主义么

Andevom-pananan-tany aman-trano mandrakizay mikarakara ny filàn'ny firenena? Tsy izany ve no sosialisma?