- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Mankalaza Ny Andron'ny Mpanao Gazety 

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tantara

(Marihina fa tamin'ny 9 Novambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Omaly (8 Novambra) no Andron'ny Mpanao Gazety tao amin'ny Shina tanibe.

Manana lahatsoratra fampahafantarana mikasika ny tantaran'ny andron'ny mpanao gazety  i Chj-guangcha [1] (zh).

Raha fintinina:

Nanomboka tamin'ny Shina Fahagola izany ary natao ahatsiarovana ilay mpanao gazety Liu Yu-sheng (刘煜生) izay niasa tao amin'ny Jiang Sheng Daily 江 声 日报 ny andro. Nenjehin'ny Guomingdang izy tamin'ny 26 Jolay 1932 ary novonoina tamin'ny 21 Janoary 1933 noho ny fiampangana azy ho mpomba ny komonista. Tatỳ aoriana, nahita ny olona fa nenjehina i Liu satria nanoratra tatitra fanadihadiana mitsikera ny governemanta tao an-toerana izay nandray anjara tamin'ny aferan-java-mahadomelina tamin'ny alàlan'ny fanangonana “hetra” avy amin'ny mpivarotra zava-mahadomelina.

Niteraka hetsi-panoherana goavana nataon'ny fikambanan'ny mpanao gazety ny raharaha sy ny fanentanana ho amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Tamin'ny volana Aogositra 1934, nanolotra soso-kevitra ny fikambanan'ny Mpanao Gazety Hanzhou mba hanaovana ny 1 Septambra ho Andron'ny Mpanao Gazety  .

Tamin'ny taona 1999, nanavao ny Andron'ny Mpanao Gazety ho amin'ny datin'ny 8 Novambra ho ara-dalàna ny governemanta Shinoa ankehitriny.

Naneho ny fihetseham-pony tsy manam-pahazotoana ny bilaogera sasany manana fahaizana ho mpanao gazety .

Nanoratra i Li Tian Lun [2] ho setrin'ny fanambarana farany nataon'ny biraon-gazety ofisialy hoe :

今天是记者节。我吃了一只苍蝇。

Androany no Andron'ny Mpanao Gazety, voafahan-dalitra aho.

Nanana fihetseham-po tena sarotra ihany koa i Zhang Rou [3] :

听说北京零下了,那么你们该穿上厚衣奔走在大街小巷才好;听说最近新闻管制的风声正紧,那么你们该更加谨慎理性才好;听说你们最近出了几条很牛比的新闻,把一些王八蛋们弄得鸡飞狗跳;听说你们把我当成堕落的理由,这让我不知该怎样伤怀才好!

记者节快乐!

I heard that Beijing temperature is now below zero, you should wear thick jackets before going out; I heard that the control over news is very harsh now, you have to be more rational; I heard that you had written some very great reports that kicked the asses of bad guys; I heard your complaint that I am the reason for decadence, I don't know how to express my sorrow.

Happy Journalist Day!

Reko fa ambanin'ny aotra ny maripana eto Beijing, tokony hanao akanjo matevina ianao alohan'ny hivoahana; Nandre aho fa tena henjana amin'izao fotoana izao ny fifehezana ny vaovao, tokony ho hentitra kokoa ianareo; Naheno aho fa nanoratra tatitra tena goavana izay namely ireo olon-dratsy ianareo; Reko ny fitarainanareo fa ny tenako no nahatonga ny fikoroso-fahana, tsy haiko ny maneho ny alaheloko.

Arahabaina Tratry ny Andron'ny Mpanao Gazety !

Nanao fikarohana tsotsotra [4] momba ny fiteny lamaody tao amin'ireo gazetin'ny tanibe miisa 180 tamin'ny 8 Novambra ny Tetikasa Fampitam-baovao Shina [4], izay nahitàna lahatsoratra miisa 62 niresaka ny “Andron'ny Mpanao Gazety”. Namoaka ny vaovao momba ny fihetseham-pon'ireo bilaogera ny fikarohana. Ny dimy tamin'ireo fehezanteny matetika nampiasaina dia: 1. Ny Fomba Fijeren'ny Marksista Momba Ny Asa Fanaovan-gazety, 2. Ny Fomba Fijery Sosialista Momba Ny Voninahitra sy ny Henatra, 3. Ny Fanehoana Telo , 4. Tari-dàlana ho an'ny Fihevi-bahoaka, ary 5. Ny Fiarahamonina Mirindra.