- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampihetsi-po Na Tsy Misy Dikany, Tononkalon'ireo Ray Amandreny Lasa Miparitaka Be Ao Japàna.

Sokajy: Japana, Fanabeazana, Hehy, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny volana Aogositra 2013

[Mitondra mankany amin'ireo pejy amin'ny fiteny Japoney avokoa ny rohy ato raha tsy misy ny filazàna mifanohitra.]

Tao Japàna, nafafin'ireo mpampiasa Twitter ireo bitsika nolaroina teny tsy loabody mikasika ny fanabeazana ny zanany. Saingy tsy resaghan-dry zareo ny zavamisy marina hoe ireo mpikarama japoney tsy dia mampiasa loatra ny fotoam-pialantsasatra omen'ny lalàna azy ireo amin'ny maha-ray aman-dreny azy [1]. Tsy mbola resahan-dry zareo ihany koa ny momba ilay lalàna tena maha-be adihevitra mikasika ny politikan'ny fanabeazana teny amin'ireo vovonan'ireo antoko politika japoney, sahala amin'izay nitranga vao haingana nandritra ny fifidianana faha-23 an'ireo Mpanolotsaina [2] [ang].

Mba hialàna amin'ny resaka politika, manoratra tononkalo fotsiny ireo olom-pirenena japoney, momba ny maha-ray aman-dreny sady mizara ireo traikefany eo ambanin'ny tenifototra hoe #途中から育児の話になるポエム, izay midika ho “tononkalo tampotampoka momba ny fanabeazana ny ankizy.”

Anatin'ireo hafatra navoaka teo ambanin'ilay tenifototra, samy hita ao ireo olana sy ireo hafaliana amin'ny maha-ray amandreny. Manambara ny fiainany ao anatina karazana literatiora isankarazany ireo ray sy reny: fakàna tahaka am-panesoana ireo hira malaza na lahatsoratra feno hatsikana sy esoeso amin'ny tenany.

Maneho ireo eritreriny feno fitiavana misy firariantsoa avy any am-po amin'ireo zanany resin'ny torimaso lalina ny reny iray:

Malefaka tokoa ny endrikao matory eto anilako. Miangavy aho, mitonia ary aza mifoha raha tsy ny maraina.

Resahan'i @wandayou_ [5]ny fanampiana entin'ny ray amandreny iray ho an'ny zanany izay tsy mahita izany akory :

Vitanao izany. Eny vitanao. Nomeko tosika kely ianao, tsy in-dray, tsy in-droa. Tsy in-dray, tsy in-droa, notehafiko ny lamosinao, dia mitsiky malefaka hatrany ianao, mandra-pialako sy hametrahako anao eo am-pandriana… Fantatro izany! Tsakoahina ianao.

Manolotra andininy mahatsikaiky mikasika ny maha-ray i Ukey:

Oadray, tsia kosa azafady / Mamindrà fo amiko / aza fikirina toy izao ny nonoko / Dada ity, tsy manana ronono aho.

Green daram, renin-jazakely iray, nanoratra mikasika ireo kitika kely ataon'ny zaza.

Na toy inona na toy inona havizanako, mitsiky amiko ianao. Avy eo kasihinao ireo voloko toy ny hanambitamby ahy sady mandonaka azy amin'ny ranombary.

Mpanao aterineto hafa, monge-mahalatsaka, mody tsy mihomehy, no manjohy an'ireo ray amandreny mba haneho ireo traikefa isan'andro:

Miangavy re, aza avotsotra mihitsy ny tanako.
Fantatro fa, handeha ianao indray andro any, nefa miangavy re, mijanona eto amiko aloha.
Tsia, miangavy re, aza sintonina ny tànako. Miangavy, andao hiara-dalana amiko.
Sa andramanao ny mamono tena?

 

Fihetsehampo iray mihoatra lavitra noho ireo teny. Ny hany azoko atao dia ny mamihina anao eto an-tratrako, mamihina anao fotsiny. Ahoana no nahatafavoaka an'ity kongona ity avy ao anaty milina fanasàna lamba?

Ajanony. Tsy te handre n'inona n'inona intsony aho ankehitriny. Tsy te-handre ireo teny ireo intsony aho. Mijery ahy ianao, miaraka amin'ireo maso izay mahàlana no mba tena matotra. Fantatro izay tianao lazaina… k-a-k-a.. Eh! mangina, tsy misy toerana fivoahana eto.

@fumipol [12] mamerina ny “ Tristesse souillée [13]” [ang], tononkalo malaza iray nosoratan'i Chūya Nakahara [ang],  japoney poety sady mpandika teny:

Alahelo voaloto. Trano hfaintsika ity. Azafady, aza sorasoratana eo amin'io.

Nangonina sy notsinjaraina araka ireo lohahevitra teo amin'ny Togetter [15] sy Naver [16] ireo bitsika ireo, fitaovana anaty tambajotra izay hahafahana manamboatra ireo tantara amin'ny alalan'ny fanakambanana ireo fitanisàn'ny olona nalaina tety anatiny media sosialy. Nanolotra ny fomba fijeriny ireo mpamaky:

Ity fanangonana tononkalo ity dia mampiseho mazava tsara fa tena samihafa tokoa ny fitiavana ny vady sy ny fitiavana ny zanaka. TPT. Raha manao toy io ahy ny vadiko, tena marina, Tsy hamela azy mihitsy aho.  XD.

Tena mahaliana. Manao toy izany avokoa ny ankizy rehetra. TPT. Aza dinganina io, ianao izay reny!  #途中から育児の話になるポエム, Ao amin'ny Naver ny tena fantina tsara indrindra.

Proofreading:Keiko Tanaka [21], L. Finch [22]