- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ory Miresaka Ny Bilaogy Kenyana

Sokajy: Kenyà, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2004)

Namoaka lahatsoratra mampahafantatra ny momba ny bilaogy Kenyana ho isan'ny fitaovam-pampianarana I&S i Ory Okolloh eto.

Lazainy fa traikefa nanova ny fiainany ny bilaogy  ary asehony ny vokatry ny antsafa niarahany tamin'ireo Kenyana mpitoraka bilaogy telo hafa. Mametraka fanontaniana maro i Ory eo am-pamaranana ny lahatsorany :

Koa ahoana no ahafahan'ny olona iray mahazo maro eto Kenya sy avy any amin'ny faritra hafa maneran-tany mitoraka bilaogy ? Mbola azo itokiana ho marina ve ny fihetsehampon'ireo olona monina any am-pielezana izay manoratra momba ny firenena niaviany ? Ary ahoana ny momba ny hoe anaty fandraharahana mitantana bilaogy dia toa fitaomana ireo olona tsy mankaiza loatra mba “hiseho”  raha izay no ilazàna azy ? Ahoana no asetrinao ny fanamby atolotry ny kolontsaina izay tena malina manoloana ny fanehoankevitry ny vahoaka ? Moa ve ny fanalahidin'ity fanamby ity ka any amin'ireo “evanjelistra” izay mamadika ny olona ho lasa tahaka an'i Mshairi ary izaho ho amin'ny bilaogy ? Moa ve làlana tsaratsara kokoa hampitomboana ny fandraisana anjara ny fomba mifototra amin'ny ” atsangano io dia ho avy ry zareo ” ? Mila “Alpha” Keniàna misimisy kokoa sy mpitoraka bilaogy maro manerantany fotsiny ve isika mba hampiely ny zava-tsoa ? Raha eny, ahoana no ahafahana manome fitaovana azy ireo hanaovana io asa io ? Ny fipoahan'ny bilaogy any amin'ny firenena toa an'i Etazonia, Iràna, Shina ve mifamatotra amin'ny fameran'ny governemanta ve sa noho ny tsy fahampian'ny fahafahana miserasera sy mizara hevitra an-kalalahana ? Sa noho ny fahalakin'ny fivoaran'ny fiangaly fiaina izay mampananosarotra ny fifampiresahana sy ny fifampizaràna hevitra mifanatrika amin'ny fomba izay mbola azo atao any amin'ny toerana toa an'i Kenyà ? Farany, afaka manatratra tanjona lehibe kokoa ve ny bilaogy toy ny fanazavàna olana iray manokana, fanovàna ny fiarahamonina ? Raha eny, ahoana no fomba tsaratsara kokoa handrefesana ny vokatra ? Na koa, ahoana no hamaritana ny “fanovàna” sy ny “politika” ?  Tsy ny fomba fiasan'ny bilaogy amin'ny famoronana vondrom-piarahamonina ve no tokony hifantohantsika fa tsy izay mety ho fiantraikany amin'ny politika na fanovàna fiarahamonina ?