- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

ICAN, Avy Ao Aostralia, Mpanohitra ny Nokleary No Nahazo Ny Loka Nobel Ho An'ny Fandriampahalemana, Tena Tsy Nampoizina

Sokajy: Aostralia, Norvezy, Nouvelle Zelande, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Mpanao hetsiky ny ICAN manao hetsi-panoherana eo ivelan'ny iraka maharitr'i Aostralia ao amin'ny Firenena Mikambana, Zeneva, 12 Mey 2016 – Nalaina maimaimpoana tao amin'ny kaonty Flickr-ny ICAN (CC BY 2.0)

Tsy nampoizin'ny maro, tao anatin'izany ireo Aostraliana tsy nahafantatra ny asan'ny ICAN na ny fipoirany tsotsotra tao Melbourne ny taona 2017, ny fanolorana ny “Prix Nobel De La Paix” (Loka Nobel Ho An'ny Fandriampahalemana) ho an'ny ICAN [2], ilay Hetsika iraisam-pirenena mba Hamongorana Ireo Fitaovam-piadiana Nokleary. Nanamarika ihany koa ireo mpitsikera fa na i Aostralia aza tsy mbola nanao sonia ilay fifanarahana fandraràna ny fanaovana andrana izay naroson'ny ICAN.

Nofidian’ny kaomitin'ny Nobel [3] mitoetra ao Norvezy ny ICAN  “noho ny asany miezaka misintona ny saina amin'ireo vokadratsy mahatsiravina ho an'ny olombelona amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana nokleary ary amin'ny ezaka lehibe nataony mba hahavitàna fifanarahana famerana ny karazana fitaovam-piadiana toy izany.”

Amin'ny ankapobeny, nahazo valiny tsara tao amin'ny media sosialy ny fandresen'ny ICAN :

Asa goavana @nuclearban [4]! Ary niantomboka tao Melbourne izany rehetra izany ! “Azon'ny Vondrona Manohitra Ireo Fitaovam-piadiana Nokleary ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana”

Faly ireo Néo-Zélandais mpifanila vodirindrina mba mahazo kely amin'ilay laza:

Kia ora James! @nuclearban [4] & @NZGreens [7] mizara hoe : mino fa azo atao ny manana tontolo tsaratsara kokoa; fomba fijery hamaritana azy ity; ny fanapahankevitra matotra hanao izay hisiany ?✊?

Manazava malaky ny gazety an-tsoratra Aostraliana ao amin'ny Aterineto The New Daily [10], ny amin'ny anjara asan'ny hetsika manohitra ny nokleary ataon'ny ICAN @nuclearban [11] tamin'ny fandaniana ilay Fifanarahan’ [12]‘ny Firenena Mikambana momba ny Fandraràna Ireo Fitaovam-piadiana Nokleary, ny volana Jolay tamin'ity taona ity:

Ny fomba nahazoan'ny hetsika ICAN @nuclearban [4] manohitra ny nokleary avy ao Melbourne ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana

Tsy sasatra mihitsy ny ICAN nanao fanentanana hisian'ny fifanarahana iray, indrindra tao amin'ny Vondrona mpandinika asan'ny Firenena Mikambana tao Zeneva taorian'ny niforonany ny taona 2015.

Kanefa, ny sasany nahita ny fandresen'ny ICAN ho marika fotsiny ihany:

Nanilika ampahany lafo vidy maro izy ireo, ary olona tsy manana fahefana mba hanao na inona na inona no nanao sonia ny taratasy…. ary na iray aza tsy nisy nokleary “nofoanana” .

Na dia firenena 122 aza no nandany ilay fifanarahana, tsy hita tao anatiny ireo fanjakana manana fitaovam-piadiana nokleary. Tsy hanao sonia ilay fifanarahana ny governemanta Aostraliana na teo aza ny fanerena azy hanao izany. Paul Barratt, mpiasam-panjakana ambony Aostraliana, nibitsika izao:

Vondrona natsangan'ny Aostraliana no nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana. Arahabaina ny Ican, tsy fahombiazana goavana ho an'ny governemanta Aostraliana.

Namerina ireo fihetsehampo ireo i John Englart, Aostraliana mpikatroka mafana fo :

Nivoatra tsara tao anatin'ny folo taona ny asan'ny @nuclearban [4] , saingy mbola mandà tsy hanao sonia ilay fifanarahana fibahanana andrana ihany i Aostralia. #henatra [19] ho antsika #Auspol [20]

Nampangaina ho “jaboady [23]” ireo mpisolo tena an'i Aostralia tany amin'ny fifanarahana famongorana ireo fitaovam-piadiana. Taorian'ny fanambaràna ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, naka io hevitra io i First Dog on the Moon, mpanao saritatra mpiaro an'i Aostralia, :

Ireo jaboady no emon-dry zareo ny Loka Nobel ankehitriny? Tsia tsy manao izany izy ireo. NEFA AHOANA RAHA NANAO IZY IREO?

Ireo sasany aza nilatsaka niantso ny hanaovana ‘fanarahamaso ny tena zavamisy':

Inona marina no tena nataon'izy ireo ? Korea Avaratra ary tsy ho ela Iràna hanana  Fiadiana Nokleary, tsy isalasalana fa tsy nahomby ny ICAN! Afaka mahazo ny hiverenan'i Obama ve isika rehefa manomboka manandrana i Iràna?

Ny praiminisi-panjakana, Daniel Andrews ao Victoria, izay Melbourne no renivohitra, naka ny Facebook [27] mba hampahafantarana ny zavabitan'ny ICAN:

Nisy zavatra tsy mampino nanjo ilay fikambanana natsangan'i Victoria tamin'ny faran'ny herinandro. Nahazo ny Prix Nobel de la Paix io – ary tsy nahazo tsara ny fijery tokony ho azony izy. Miangavy anareo mba hanitsy azy io. Tonony ny anarana ary zarao. Ampahafantaro ny olona rehetra hoe inona ny zavatra afaka vitanay avy ato amin'ity fanjakana kely mahasahy sy mivoatra aty am-paran'ny tany ity.

Fa ireo olom-pirenena toa an'i Cathy Micich kosa nandevilevy mafy [28] : “Inona izany no tena anjara andraikitry Daniel Andrews? Oh, marina izany, mitsambikina mijapy fiarandalamby.”

Medact, mpiara-miasa amin'ny ICAN, mitoetra any Royaume-Uni, mampahatsiaky izao tontolo izao fa mbola ho lava ny làlan'ny ICAN amin'ny fanatrarany ny tanjony mba hibahanana ireo fitaovam-piadiana nokleary rehetra:

Faly ho anisan'ny fiombonambe manerantany mahazo ny #NobelPeacePrize [29]. Fotoana izao ho an'i Royaume-Uni hanaovany sonia ny fifanarahana #nuclearban [30] ary hitabatabàna #trident [31]@ICAN_UK [32]

ICAN [35] dia mandray anjara. Na naorina tao Melbourne aza io, nakisany ny foibeny ho any Zeneva, Soisa, hatramin'ny taona 2011, mba hanakaiky kokoa ny toerana fandrindràn'ny Firenena Mikambana ireo fifampiresahana famongorana ny fitaovam-piadiana.