Eritreritra avy amin'i Jim Moore

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2004)

Nampita ireto hevitra manaraka ireto ho an'ny ”fandaharana azo heverina ho midadasika indrindra ho an'ny fifanakalozan-kevitry ny olom-pirenena erantany…” i Jim Moore

”fifanakalozan-kevitra izay afaka ny hisy amin'ny alalan'ny aterineto, miampy ny fandehanana sy ny trano fonenana, ary izay antenaina fa hamolavola endrika vaovao ho an'ny fahaiza-mamorona ananan'ny tsirairay sy iraisan'ny rehetra, ary angamba koa ho fiforonan'ireo fikambanana sy andrim-panjakana vaovao.

Inona no lohahevitra mety horesahan'ireo olom-pirenena ao anatina fifanakalozan-kevitra toy izany?
Ireto misy teboka vitsivitsy mety hampikatro-doha..Mba lazao ahy ny anao..

I. Ho lasa “varavarankelin'ny kolontsaina” ny lohahevitra sasantsasany –izany hoe ”toy inona ny bikan'izao tontolo izao amin'ny toerana misy antsika, ny tiana holazaina,  Iràka, Iràna, Ghana na Afrika Atsimo na Kongo na Sodàna– na Etazonia, Angletera, Frantsa, Japàna na Shina na Malezia– na Mississippi, Texas ary Massachusetts.

Mifanaraka amin'izay sandany, tany amin'ny Kennedy School Arco Forum aho nanatrika ny resaka momba ilay fandripahana foko tany Sodàna, ary nilaza ny Shinoa iray, mpianatra nipetraka teo akaikiko, hoe ”toa somary hafahafa aminay Shinoa mpianatra ny toe-tsaina ara-moraly ao anatin'ity resaka ity, satria i Etazonia no hitanay fa firenena mandripaka indrindra..raha raisina amin'ny fanadiovàna ireo vahoaka indizeny teto amin'ny kaontinanta — ireo antsoina hoe ”Indiana”– miaraka amin'ny toe-karena niorina tamin'ny alalan'ny fanandevozana tsy lavitry ny fandripahana ny Afrikana mainty..” Nanohy ny fanazavana ity mpianatra ity fa ny ankamaroan'ny mpianatra fantany any Shina, ao anatin'izany ny vahiny mianatra any Shina, dia saika toy izany avokoa ny fahitan-dry zareo an'i Etazonia–ary tamin'ny niainany zavatra nampangirifiry no  nianaran-dry zareo nanafina ireo hevitra ireo rehefa eo anatrehan'ny Amerikana.

II. Lohahevitra haneho ny fanamby goavana amin'ny maha-zava-dehibe ny fiarahamonina iraisam-pirenena ireo hafa– olana izay tsy voavahan'ny governemanta sy ireo fikambanana iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao.

Ohatra. Ahoana no iatrehantsika ny fahasimban'ny tontolo iainana? Vao naheno resaka mahavariana nataon'i Jackman avy amin'ny Scipps mikasika ireo “faritra maty” any anaty ranomasimbe aho. Avaditsika ireo kaontinanta midadasika ao ambany ranomasina ho lasa fotaka-na–”jellyfish” sy “méduses”– izay tany aloha tany dia nisy rafitra ekolojika maro sosona tena niavaka. Manampy ny lahatenin'i Jackman, niresaka mikasika ny hamaroan'ireo toerana mafàna manerana izao tontolo izao i E.O. Wilson–izay nolazainy fa afaka vonjena amin'ny alalan'ny 29 lavitrisa dolara eo noho eo–fa misy mandrahona izany. Ny fanontaniana ho an'ireo vahoaka manerantany: Inona no ”lalànan'ny fivondronana” ho an'ireo andrimpanjakana maneho fahaizana amam-pahalalana ara-tsosialy ho an'ny rehetra, fikarakarana ho an'ny rehetra, ary maneho  hetsika mifantoka amin-javatra voafaritra ka afaka hamaha amin'ny fomba haingana ary am-pahendrena ity krizy ity?

Oh. 2: Ahoana no hametrahantsika fampandrosoana sy toekarena maharitra ho toy ny fotokevitra ivon'ny fanontoloana kapitalisma sy famoronana fandraharahàna?

Oh. 3: Ahoana no hametrahantsika tontolo manaja ny zo sy ny hajan'ny olombelona?

Fanehoankevitra? Eritreritra? Mba hampahafantaro anay ny eritreritrao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.