Tantara tamin'ny 18 Oktobra 2017
Iran: Bilaogera Mety Hiatrika Fiampangana ‘Fihantsiana Ady Amin'Andriamanitra’
Misy ny fitomboan'ny ahiahy fa mety ho voampanga amin'ny moharbeh (mihantsy ady amin'Andriamanitra / fankahalàna an'Andriamanitra) amin'ny fotoam-pitsarana ho avy i Shiva Nazar Ahari, mpikatroka ny zon'olombelona, bilaogera sady tonian-dahatsoratry ny tranonkalan'ny Komity ny Mpitati-baovao momba ny Zon'Olombelona ao Iran izay migadra any am-ponja.
Iran: Ny Fahafatesan'ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri
Nitatitra ireo olom-pirenena Iraniana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisampirenena fa mpanohitra an'aliny no nidina an-dalambe tao amin'ny foibe teolojikan'i Iran tamin'ny Alatsinainy ary nifandona tamin'ny milisy mpomba ny governemanta nandritra ny fandevenana ilay mpitondra fivavahana ambony ao amin'ny fanoherana ao amin'ny firenena, ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri.
Iran: Mitombo Ny Disadisa Satria Efa Akaiky Ny Andron'ny Mpianatra
Nanomana fihetsiketsehana goavana ny mpanohitra Iraniana amin'ny Alatsinainy 7 Desambra satria manamarika ny Andron'ny Mpianatra fanao isan-taona i Iran, fahatsiarovana ny famonoana ireo mpianatra telo tamin'ny taona 1953.