- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Mitombo Ny Disadisa Satria Efa Akaiky Ny Andron'ny Mpianatra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Marihana fa tamin'ny 6 desambra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy)

European students plan green solidarity photo shoot [1]

Sarin'ny fikasan'ny fiarahamientana maitson'ny Mpianatra Eoropeana

Nanomana fihetsiketsehana goavana ny mpanohitra Iraniana amin'ny Alatsinainy 7 Desambra satria manamarika ny Andron'ny Mpianatra [2] fanao isan-taona i Iran, fahatsiarovana ny famonoana ireo mpianatra telo tamin'ny taona 1953.

Nampitandrina [3]an'ireo mpanao fihetsiketsehana ny vondrona mpanohitra fa mety hiharan'ny famoretana lehibe avy amin'ny mpitandro filaminana izy ireo.

Efa nanararaotra ireo hetsika marobe notohanan'ny fanjakana toy ny “Quds Day [4]” ny hetsika “maitso” Iraniana mba hikarakarana fihetsiketsehana. Araka ny filazan'ny [3]haino aman-jery tamin'ny Alahady, tapaka ny ankamaroan'ireo rohy tamin'ny aterineto tao Tehran, nilaza ny loharanom-baovao akaikin'ny sampana ara-teknika ao Iran fa “fanapahan-kevitry ny manampahefana” izany fa tsy olana ara-teknika.

Mojtaba Saminejad, bilaogera sady mpikatroka ny zon'olombelona nanoratra [5] hoe:

As 7th of December [16th of Azar] approaches, arresting students and preventing them of studying becomes worse than ever. Again, the “military coup base” came to this conclusion that by massive arrests of students they can disturb the December 6th program and students’ gathering. But this year is different from other years, and students will have a great number of Iranian people there to support them. This day, the Student Day will became a National Day, but the coup agents will still ignore it.

Satria efa akaiky ny 7 desambra [16 tamin'ny Azar], miha ratsy noho ny hatramin'izay ny fisamborana mpianatra sy ny fanakanana azy ireo tsy hianatra. Tonga tamin'ity fehin-kevitra ity Indray ny “fototry ny fanonganam-panjakana miaramila” fa amin'ny alalan'ny fisamborana mpianatra marobe, afaka manakorontana ny fandaharan'asa amin'ny 6 desambra sy ny fivorian'ny mpianatra izy ireo. Saingy hafa tsy toy ny taona maro hafa ny tamin'ity taona ity, Iraniana marobe no hanohana ny mpianatra. Amin'izany andro izany, ho lasa Androm-pirenena ny Andron'ny Mpianatra, saingy mbola tsy hiraharaha izany ireo mpanongam-panjakana.

Olom-pirenena marobe manerana izao tontolo izao no nampiasa YouTube mba hanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana Iraniana, tahaka ity vehivavy avy any Alemaina ity izay nilaza fa amin'ny 7 Desambra, ‘Miaraka aminao ny foko mandra-paha afaka anao.’

Nanangana ny Divarnevisi (midika hoe ‘manoratra eo amin'ny rindrina’) ny olom-pirenena Iraniana, tranonkala amoahan'izy ireo afisy, ampianarana ny fomba fanoratra teny filamatra eny an-dalambe, sy hizarana ny sarin'ireo teny filamatra sy bokikely avy amin'ny tanàna samihafa ao Iran.

Mety mahita ohatra maro amin'ny afisy amin'ny 7 Desambra isika. Ity misy ohatra iray ahitantsika ny sarin'ireo Iraniana tahaka an'i Neda [6] izay novonoin'ny mpitandro filaminana taorian'ny fifidianana tamin'ny 12 jona.

16azar_5s_(Large)