- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera & Raharaha Nokleary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Martsa 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Tatitra momba ny fandaharan'asa nokleary Iraniana nalefan'ny IAEA [1] tany amin'ny Filan-kevitry ny Fiarovana ao amin'ny Firenena Mikambana.  [2]Manana zavatra maro hozaraina mikasika ity hetsika lehibe ity ny bilaogera.

Abtahi [3], filoha lefitra teo aloha, nilaza fa mahasoa ho an'ny firenena ny angovo nokleary milamina ary afaka manome hery an'i Iran [4]. Saingy tsy tokony handrava ny firenena ho amin'izany isika. Handray ny hevitro ho mariky ny tahotra ny sasany. Aleoko izay toy izay mahita ny fireneko ringana. Milaza izy fa mivavaka mba ho arovan’ Andriamanitra i Iran sy ny Iraniana amin'ity toe-javatra mampidi-doza ity.

Khanoumhana indray nilaza fa tsy mankasitraka ny fanjakana Iraniana sy ny politikany ary i Etazonia miezaka mametraka an-katerena ny fitsipikany eto amintsika izy. Nilaza koa izy fa tsy afaka matoky ny governemanta Iraniana isika etsy andaniny, saingy etsy ankilany, sarotra ny manaiky [5]ny firenena vahiny  [5]mametraka an-katerena ny fitsipikany ao Iran. [5]

Alpar, bilaogy iray malaza, nanoratra fa olan'ny fanjakana Iraniana ny olana ara-nokleary [6] ary tsy maintsy mamaha izany izy. Tsy mbola nangatahana hiteny na hilaza ny heviny momba ny angovo nokleary ny firenena Iraniana. Niteraka ity olana ity ny Fanjakana Iraniana, noho izany tsy tokony hijaly ny firenena Iraniana. Mivavaka ity bilaogera ity mba homen’ Andriamanitra faharanitan-tsaina kely ireo mpitondra Iraniana.

Nanoratra momba ny antsoina hoe referandaoma nokleary i Behnoud. Hoy izy:

The Iranian media called the massive march of February 11th (the day of the victory of Iran 1979 revolution in 1979 that overthrew the monarchy and established an Islamic Republic) the “nuclear referendum” and a “national referendum”. The purpose behind these names appears to be aimed at strengthening the hand of the government in its talks with the international community over the country’s nuclear programs. But this approach raises the question of who is the target of this publicity, which in turn brings up other questions as well.”

If the target audience of this propaganda are foreign governments – specifically that of the United States and the Europeans – who are challenging Iran’s nuclear programs, then it must be said that both the governments and world public are well aware of such tactics practiced in the East.”

“Nantsoin'ny haino aman-jery Iraniana hoe “referandaoma nokleary” sy “referandaomam-pirenena” ny diabe goavana tamin'ny 11 febroary (andro nandresen'ny revolisiona tamin'ny taona 1979 izay nanonganana fitondram-panjakana sy nananganana ny Repoblika Islamika). Ny tanjona ao ambadik'ireo anarana ireo dia toa mikendry hampatanjaka ny governemanta amin'ny lahateniny amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena mikasika ny fandaharan'asa nokleary ny firenena. Saingy nampanontany tena ity fomba ity hoe iza no ho lasibatr'ity dokambarotra ity, izay toa mitarika fanontaniana hafa ihany koa. “

Raha ny governemanta vahiny no tanjon'ity  fampielezan-kevitra ity – indrindra fa ny an'i Etazonia sy ny Eoropeana izay manohitra ny fandaharan'asa nokleary ao Iran, dia tsy maintsy lazaina fa mahafantatra tsara ny tetikady tahaka izany izay ampiharina ao Atsinanana ny governemanta sy ny vahoaka manerana izao tontolo izao. “

Hoder, bilaogera monina ao Kanada niezaka nitady vahaolana [7]. Hoy izy:

“Iran wants to do enrichment in its soil and the West doesn't accept it. So I have a suggestion: What if Iran declares one of its free trade zones, such as Gheshm, as an International zone completely governed by the UN with Iranian's co-operation? And then they do what aver nuclear research they want to do there, under the full inspection of the IAEA, while it's still inside Iran?”

“Te-hampitombo ny hareny ao amin'ny taniny i Iran ary tsy manaiky izany ny Tandrefana. Ka manana soso-kevitra aho: Ahoana raha manambara ny iray amin'ireo faritrany malalaka ara-barotra, toa an'i Gheshm, ho toy ny faritra iraisam-pirenena tantanin'ny ONU tanteraka miaraka amin'ny fiarahamiasa amin'ny Iraniana i Iran Ary avy eo manao izay tian'izy ireo atao amin'ny fikarohana momba ny nokleary, eo ambany ny fanaraha-maso feno avy amin'ny IAEA, raha mbola ao Iran izy (IAEA)? “

Ashoob (Persiana), bilaogera monina Iran te haneho hevitra amin'ny alalan'ny hiran'i Pink Floyd [8]:

“Mother, do you think they'll drop the bomb?
Mother, do you think they'll like this song?
Mother, do you think they'll try to break my balls?
Mother, should I build a wall?”

“Mama, heverinao fa handatsaka baomba ve izy ireo?
Mama, heverinao fa ho tia ity hira ity ve izy ireo?
Mama, heverinao fa hanandrana hamaky ny baoliko ve ry zareo?
Mama, tokony hanangana rindrina ve aho? “

Ao amin'ny bilaogin'i Hojreh [9] (Persiana), tanora mpitondra fivavahana, mahita rohy mankany amin'ny tranonkala iray mampiroborobo ny Angovo Nokleary Milamina [10] amin'ny teny Persiana isika. Ao amin'izany tranokala izany, nangatahana ireo mpitsidika mba handefa mailaka any amin'ny IAEA, milaza fa mila angovo nokleary mitandro ny fandriampahalemana izy ireo.