
Pikantsary avy amin'ny “sarin'ny lahatsary” Eurosong ofisialy izay mampiseho an'i Jana Burceska mividy akanjon-jazakely.
Niteraka i Jana Burceska, izay nisolotena an'i Makedonia tamin'ny Fifaninanan-kira Eurovision 2017, araka ny efa nambara mialoha nandritra ny fifaninanana tao Kiev.
“Mankalaza ny Fahasamihafana” no lohahevitry ny Fifaninanan-kira Eurovision 2017. Indroa izao no nampientanentana i Burceska, solotenan'i Makedonia, na dia tsy nahatratra ny famaranana tamin'ny fifaninanana aza izy.
Ny lahatsariny fampidirana no voalohany , izay nanambaràny fa bevohoka izy ary nasehony niaraka tamin'ny sary mampiseho ny fitilina an-tsary (échographie) sy ny fividianany ny akanjon-jazakely izany.
Nahatonga resabe tao amin'ny tanindrazany nanomboka teo ny fihetsika nataon'i Burceska nisintaka. Nivadika somary malalan-tsaina kokoa fa tsy patriarika ny fiarahamonina Makedoniana tato anatin'ny taompolo farany, noho ny fiantraikan'ny fandrendreham-bahoaka avy amin'ny elatra havanana.
Niseho tao amin'ny Efitra Maitson'ny Eurovision ny hatairana faharoa, rehefa nomena fahafahana haneho hevitra ireo mpihira teo am-piandrasana ny vokatry ny fifaninanana. Nanararaotra io fotoana io ny sipan'i Burceska mba hangataka azy ho vady teo anoloan'ny fakantsary:
Na dia tsy nahazo vato maro aza i Burcevska mba ho tafakatra tamin'ny famaranana, dia toa nahasarika ny fampahalalam-baovao iraisampirenena kokoa izy noho ireo mpifaninana Makedoniana hafa teo aloha. Tany an-tanindrazana, niampanga ilay fanambarana vohoka sy ny fangataham-bady teo imasom-bahoaka ho dokambarotra ny sasany.
Tsy toy ireo solontena Makedoniana teo aloha fa nahazo tsikera miabo avy amin'ireo mpitsikera mozika any an-tanindrazana ny hirany “Dance Alone” , izay nidera ny firafitra, ny fampisehoany ary ilay lahatsarin-kira. Mandeha amin'ny hira mahazatra tsy tapaka amin'ny onjampeo ao an-toerana izany ankehitriny.
Taorian'ilay fifaninanan-kira, nandray anjara tamin'ny fanentanana UNICEF, “Childhood Without Obstacles” (Fahazazana tsy misy Sakana) tamin'ny volana Septambra i Burceska nanambady tamin'ny volana Aogositra.
Има многу причини зошто треба да бидеме фер! Придружете се на Јана Бурческа и дадете ваша поддршка #ЗаДетство #БезПречки pic.twitter.com/eE2Q5plspX
— UNICEF MK (@UNICEFMK) September 15, 2017
Sioka: “Maro ny antony tokony hanaovantsika ny rariny! Mifandraisa amin'i Jana Burceska ary tohano ny #Fahazazana tsy misy Sakana “
Lahatsary: ”Yahoo! izaho no Jana Burceska , ary ny fanaovana ny rariny ho ahy dia midika fanomezana tombontsoa sy fahafahana, fa tsy fanimbana. Izany no antony hanohanako ny fanentanana ‘Manaova ny rariny! Ho amin'ny Fahazazana tsy misy Sakana. ‘”
Teraka tamin'ny 11 Oktobra ny zanany vavikely antsoina hoe Dona. Niparitaka tao amin'ny media sosialy ny vaovao taorian'ny fanambaràn'ny dadan'i Burceska tao amin'ny pejiny Facebook fa lasa dadabe izy. Tondraka ny fiarahabana :
Стигна евровизиското бебе: Јана Бурческа роди ќерка
нека е жива и здрава….— Darko Kezhman (@kezhmanprvi) October 11, 2017
Tonga ny zazakely Eurovision: niteraka zazavavikely i Jana Burceska. Ho lava andro iainana sy ho salama anie izy.
Ary nanararaotra ity fotoana ity ny olona sasany mba hanehoana hevitra momba ireo olana lehibe kokoa, toy ny fampielezan-kevitra ataon'ny fampitam-baovao avy amin'ny governemanta mpandrendri-bahoaka izay nitondra an'i Makedonia nanomboka tamin'ny volana Aogositra 2006 ka hatramin'ny volana May 2017, izay lazaina ho nandrisika ny “fitiavan-tanindrazana” teo anivon'ny vahoaka.
Јана Бурческа ја избраа, настапи на Еуровизија, ја запросија, се омажи и роди ќерка.. што вие направивте за Македонија годинава? 🙂
— Daniel Anastasoff (@algorit007) October 11, 2017
Voafidy i Jana Burceska, nanao fampisehoana tao amin'ny Fifaninanan-kira Eurovision izy, nifamofo, nanambady ary niteraka zazavavikely. Inona no nataonareo ho an'i Makedonia tamin'ity taona ity? 🙂