- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Manao Fanentanana Hiarovana An'i Isfahan Ireo Mpiaro Ny Tontolo Iainana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily 2009 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Mampiasa fitaovana fampahalalam-baovao antserasera mba hiarovana ireo tsangambato ara-kolontsaina isan-karazany toy ny The Si-o-se Pol na “33 Pol” [1] (tetezana misy andohalambon-tetezana miisa 33), ravaka ara-javakanto iray ao afovoan-tanàna manatantara ao Isfahan [2] (Esfahan) Iran ireo Iraniana mpiaro tontolo iainana. Misy ankehitriny ny fifandirana eo amin'ireo manampahefana te-hanangana tetikasa metro vaovao sy ireo olom-pirenena voakasika manerana an'i Iran izay matahotra ny fahasimbana mety aterak'izany.

33pol

Nanoratra [3] taratasy misokatra ho an'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena i Shahin Sepanta mba hiaro an'i Isfahan, renivohitry ny fanjakan'i Persiana teo aloha, tsy ho tratran'ny faharavana. Nanoratra ity bilaogera ity fa ny filankevitry ny tanànan'i Isfahan no nanapa-kevitra, tsy misy fanadihadiana fiomanana ampy, hanamboatra tonelina metro eo akaikin'ity ravaka ara-javakanto tsy manam-paharoa ity.

Nanohitra ity tetikasa tsy mitombina ity ny vahoaka ao Isfahan, sy ireo fikambanana tsy miankina maro ary nangataka tamin'ny manampahefana mba handavaka tonelina lavidavitra kokoa an'ity faritra manan-tantara ao an-tanàna ity, ary hampiasa fepetra fisorohana ho fampihenana ny fitohanan'ny fifamoivoizana. Na izany aza, nanohy ny fandaharan'asany ny filan-kevitry ny tanàna, tsy niraharaha izany hetsi-panoherana izany.

Rehefa mieritreritra fa Isfahan, amin'ny maha tanàna kosmopolita azy, dia ahitana toerana manan-tantara sy manan-danja maro izay tsy an'ny vahoaka Iraniana ihany fa heverina ho toy ny vakoka iraisan'ny olombelona, zon'ny olon-drehetra eto an-tany no mankafy ny fahatsarany, ary koa, mandray andraikitra amin'ny fiarovana azy manoloana ireo fandrahonana rehetra mety handrava azy.

Tao amin'ny GreenNews, namaky [4]lahatsoratra izahay fa nanery ny manampahefana hilaza fanambarana mampiadihevitra amin'ny fivoaran'ny tetikasa metrô ny fitomboan'ny isan'ny hetsi-panoherana. Namoaka sary (tahaka ny etsy ambony) ny GreenNew, izay mampiseho ireo milina fanamboarana eo akaikin'ny '33 Pol (tetezana misy andohalambon-tetezana 33).

Misy ihany koa ny fanangonan-tsonia [5] natao mba hampitsaharana ny tetikasa metro ary efa nahazo sonia 1000 hatramin'izao.