- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rashmi Sinha: Fandinihana Sy Fampidirana Sasantsasany

Sokajy: Azia Atsimo, India, Pakistana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2004)

Ankoatra ireo olana hafa, mahaliana ahy ny hamantatra ny fomba hanohanana adihevitra tena izy – tsy ny olona miresaka fotsiny, fa ny fifampihainoan'ny tsirairay ihany koa. Efa azo ambara ho manohana tsara ny fanehoankevitry ny tena ireo fitaovana ankehitriny. Mety ho tsara kokoa izy ireo amin'ny fanohanana adihevitra. Izay tena mampanahy ahy, dia ny hananantsika feo maro dia maro ety anaty tambajotra, miaraka amin'ny olona rehetra samy mifikitra amin'ny heviny, sady tsy misy ezaka azo tsapain-tanana mba hanakarana fijery iray hafa.

Na  tsy azo ialàna aza io amin'ny ambaratonga sasantsasany (ireo feo amin'ny tambajotra no fitaratra iray maneho ireo hevitra ifikirana eny anatin'ny tontolo ivelan'ny aterineto), saingy manana anjara toerana raisina ihany koa ireo fitaovana ireo. Manohana fomba iray manokana ihany koa eo amin'ny fifanakalozana sosialy ireo fitaovana ampiasaina mba hanehoana hevitra amin'ny tambajotra. Manome fahafahana mifandray ara-tsosialy, mifampiresaka ary mifandresy lahatra. Misy rafitra sosialy velomin'ny fitaovana tsirairay na ny fanehoankevitry ny tsirairay aza no fampiasàna azy voalohany. Ohatra, ny rafitra ara-tsosialy velomin'ny trackback lalana, wikis, rafitra fandefasana hafatra sy toeran'ny fanehoankevitra. Mitondra karazana fifaneraseràna samihafa izy io. Mino aho fa amin'ny alalan'ny fisainana malalaka ny endrika sosialin'ireo fitaovana ireo dia afaka hanohana tsara kokoa ny adihevitra tena izy ny olona.

i Rashmi [1] avy amin'ny DialogNow [2] ity (ny DialogNow dia vondrom-piarahamonina an-tserasera iray manohana adihevitra mikasika an'i India sy Pakistàna)