Mandefa Fiarahamonim-pirenena Vaovao Amin'ny Tambajotra Ny Digital Divide Network

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2004)

Araka izay nambarako androany teo amin'ny blaogiko, misokatra ho an'ny fandraharahàna izao ny tranonkala vaovaon'ny Digital Divide Network.

Vondrom-piarahamonina an-tserasera maimaimpoana iray ho an'ireo mpikatroka manerantany liana amin'ny fampitohizana ny fivakisana dizitaly io vohikala io. Anisan'ny zavatra vaovao asongadiny ny blaogy maimaimpoana ho an'ireo mpikambana rehetra amin'ny DDN, ny sehatra afaka ifanakalozankevitra, ireo vondrom-piarahamonina  isan-karazany momba olan'ny fivakisana dizitaly, ary fehezana iray misy ire fàhana RSS izay ahafahanao miditra aminà votoatinà tranonkala arakaraky ny kazarany (ireo lahatsoratra malaza, lisitranà hetsika, blaogy, vaovao, sy ny sisa) ary avy amin'ny vondrom-piarahamonim-paritra iray (literatiora, teknolojian'ny vondrom-piarahamonina, e-gov, olom-pirenena mpanao gazety, sy ny sisa).

Ny fitaovana fanaovana blaogy raha ny marina dia tsotra, nefa narafitra ho an'ireo vondrom-piarahamonina mpikatroka izay mbola tsy nanandrana nanao blaogy mihitsy taloha ary maniry ny hitrandraka ny media. Amin'ny lafiny sasany, antenaiko ilay vohikala mba ho fikotrehana iray ho an'ireo mpanao gazety sivily vao mitsimoka.

Maimaimpoana ary misokatra ho an'ny rehetra liana amin'ny fampitohizana ny fivakisana dizitaly ny DDN. Miangavy anao hanjohy androany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.