- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny ‘Surf’ Any Shily

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 9 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tsy matahotra ireo mpanao ‘surf’ ao Shily na dia tonga aza ny vanim-potoana fahavaratra. Mandritra ny taona iray manontolo izy ireo no mivezivezy amin'ny morontsiraka mirefy 4.600 kilaometatra [1] mahery ao Shily. Nizara lahatsary, traikefa ary ny fomba fiainany ireo vondrom-piarahamonin'ny mpankafy ‘surf’. Tsy bilaogin'ny vaovao, onja, torapasika ary fifaninanana Shiliana ihany ny Chilesurf [2], fa hetsika iray ihany koa izay mikarakara ny morondranomasina antsoina hoe “Ecosurfers.”

Alrededor de 25 personas entre niños, jóvenes y adultos se reunieron en el sector de la playa identificado como el más afectado por basura “Las Urracas” en el marco del día Mundial de Limpieza de las Playas. En este sector se realizo una limpieza de las diferentes áreas de esta playa. Entre las más contaminadas se encuentran partes como los bordes de paredes cerca donde viven algunos indigentes. Vidrio, Plásticos entre algúnas cosas se recolectaron después de más de una hora de limpieza se logro sacar aproximadamente 200 kilos de basura. Luego disfrutamos de una convivencia (asadito playero de pescado) que sirvió tratar temas afines al medio ambiente y entregarle nombre a nuestra organización.

Manodidina ny olona miisa 25, ankizy, tanora, olon-dehibe no nihaona tao Las Urracas, faritra iray amorondranomasina izay fantatra hatry ny ela fa maloto indrindra. Nihaona izahay satria io no andro iraisampirenena ho fanadiovana ny torapasika. Nanadio ny faritra faran'izay maloto indrindra akaikin'ny toerana ahitana ireo mpirenireny tsy manan-kialofana izahay tao anatin'ity faritra ity. Tavoahangy, plastika ary zavatra hafa no voahangona ary nahangona fako nilanja 200 kilao izahay teo amin'ny adiny iray mahery teo.  Nankafy ny fihaonana (tono trondro teo amorondranomasina) izahay nony avy eo ary niresaka momba ny tontolo iainana sy nanome anarana ny fikambananay. “

Tao amin'ny lahatsoratra iray teo aloha , nanoratra mikasika ireo mpanao ‘surf’ tsara indrindra tao amin'ny fifaninanana iraisampirenena tao Maitencillo izy.

Ahitana an'i rianvanu [3] (ES) ireo mpanao ‘surf’ mahaleontena hafa izay nizara ny lahatsarin'ny [4] torapasika Shiliana sy ny “surfchicas [5]“, vavahadim-baovao ho an'ny vehivavy Shiliana manao ‘surf’, ary mirehareha izy ireo amin'ity vavahadim-baovao voalohany natao hitantarana momba ny lohahevitra ho an'ny vehivavy ity .