- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily: Ny Andro Nahafatesan'I Pinochet

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka, Tantara

(Marihina fa tamin'ny 29 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Iray amin'ireo bilaogera malaza indrindra ao Shily ilay mpitantana dokambarotra Roberto Arancibia. Ny feony feno hatsaram-panahy sy ny fomba fijeriny feno fanantenana no ahaizany mandanjalanja ny fanadihadiana lohahevitra isankarazany. Nefa tsy mikaroka firy ny zavatra izay mety hahaliana amin'ny adihevitra politika ny bilaoginy El Mundo Sigue Ahí (“Mbola Eo Ny Tontolo “).

Ny Alarobia lasa teo, herinandro vitsivitsy talohan'ny fankalazana ny faha-33 taonan'ny fanonganam-panjakana izay nametraka an'i Pinochet ho mpanao didy jadona, dia azo heverina ho hafahafa ny namoahany ny ” Ny Andro Nahafatesan'I Pinochet [1] “:

 

A few days ago I read a post by Jorge Diaz (ES) [2], which asked us what we were going to do the day that Pinochet [3] died.

Just as I wrote in the comments, on September 11, 1973 I was 16 years old, studied philosophy at the University of Chile [4] and I was the owner of the world. I was on forced vacation from university and had visited Chiloé [5] as a guest of Papo, – what will come of him? – along with 4 companions from school. That morning, his mother woke us up to a large battery-powered radio, at full volume, which took over where we had slept. Get up, there is a coup in Santiago!? Of course, the news immediately replaced what had been our dreams and cured our slugishness from the previous day's curanto [6]. Just like our dreams that Tuesday morning, many dreams were cut short that day, all over the country.

Namaky lahatsoratra iray avy amin'i Jorge Diaz (ES) [2] aho  andro vitsy lasa izay , izay nanontany antsika hoe inona no hataontsika amin'ny andro nahafatesan'i Pinochet [3] .

Tahaka ny nosoratako tao amin'ny fanehoan-kevitra, ny 11 septambra 1973, raha 16 taona aho, nianatra filozofia tao amin'ny Oniversiten'i Shily ary ny tenako no tompon'izao tontolo izao. Noterena hiala sasatra aho tany amin'ny oniversite ary nitsidika an'i Chiloé ho vahinin'i Papo niaraka tamin'ireo namana miisa 4 avy any an-tsekoly – inona no nahazo azy? – . Tamin'io maraina io, namoha anay tamin'ny radio lehibe iray mandeha amin'ny alàlan'ny batery ny reniny, tamin'ny feno minainaina, izay tonga hatrany amin'ny toerana natorianay. Mitsangàna, misy fanonganam-panjakana eto Santiago !? Mazava ho azy fa nanolo avy hatrany ny nofinofinay ny vaovao ary nanasitrana ny salebolebo tamin'ny curanto [6] ny omalin'iny. Tahaka ny anay tamin'ny io talata maraina io, maro ireo nofinofy tapaka tamin'io andro io nanerana ny firenena.