- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'ny Polisy Sy Ny Andian'Olona Anti-Komonista Tsy Hiresaka Momba Ny Vono Olona Taona 1965 Tao Indonezia Ireo Vondrona Mpiaro Ny Zon'Olombelona

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara
[1]

Mpanao fihetsiketsehana anti-komonista manodidina ny biraon'ny Indonesian Legal Aid Foundation. Loharano: kaonty Twitter an'ny Legal Aid Foundation.

Mpanao fihetsiketsehana an-jatony manohitra ny komonista (anti-komonista) ao Indonezia no nanodidina [2]ny biraon'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona teo am-piresahana momba ny zava-nitranga tamin'ny taona 1965 sy 1966, izay nitarika ny famonoana an'ireo komonista farafahakeliny dimy hetsy nahiahiana tao amin'ny firenena.

Nanakorontana ny hetsika ireo vahoaka, izay niampanga ny Fondation Indonesian Legal Aid (LBH) ho manohana ny Antoko Komonista Indoneziana efa rava (PKI), ary nifandona tamin'ny polisy izay niezaka nanaparitaka azy ireo.

Ny andro talohan'izay, tamin'ny 16 septambra 2017, nanakana [3] ny LBH tsy hanatontosa ny seminera eo ambanin'ny lohahevitra hoe “Famoahana ny Marina Ara-tantara momba ny Hetsika 1965-66″ ny polisy tamin'ny alalan'ny sakan-dalana tao amin'ny fidirana ao amin'ny lalana ao Jakarta, renivohitry ny firenena. Nolazain'ny manampahefana fa tsy nahazo alalana ny mpikarakara.

Nosakanan'ny polisy tsy hiditra tao amin'ny biraon'ny LBH araka ny asehon'ny sary etsy ambany ny sasany tamin'ireo mpandahateny tamin'ny seminera:

Tsy navelan'ny polisy hilaza ny marina momba ny zava-nitranga tamin'ny taona 1965/66 ity lahy antitra ity

Ho setrin'izany, nikarakara hetsika ara-kolotsaina tao amin'ny trano misy ny biraony ihany ny LBH, hetsika mitondra ny lohateny hoe “Asik Asik Aksi: Darurat Demokrasi” (Fahafinaretana sy Hetsika: Vonjy Aina Demaokratika), izay lasa tanjon'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny kôminista.

Namely ny firenena tamin'ny taona 1965 ny haromontana anti-komonista, izay nitarika ny fitsanganan'ny Jeneraly Suharto. Nandritra ny fitondrany telopolo taona, nandràra ny Antoko Komonista Indoneziana sy ny famoahana boky Marksista sy ny boky komonista hafa i Suharto. Na dia ny fampiasana ny marika komonista tahaka ny kanonta sy ny antsim-bilona aza dia voaràran'ny lalàna [9] mandraka ankehitriny.

Nanakana ireo manam-pahaizana sy ny vahoaka tsy hikaroka momba ny anjara asan'ny miaramila sy ny tafi-panjakana hafa tamin'ny famonoana ihany koa i Suharto. Tao anatin'ny taona vitsy lasa, nangataka [10] tamin'ny governemanta ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba handinika indray ny fandripahana taona 1965 sy hanome rariny ho an'ireo niharam-boina an'arivony izay nogadraina sy novonoina noho ny ahiahy fotsiny fa hoe komonista izy ireo. Ny sasany amin'ireo niharam-pahavoazana dia mbola velona ary efa nanome fijoroana ho vavolombelona momba ny fijaliana niaretany.

Tamin'ny taona 2015, nandray ny volavolan-dalàna hananganana komitin'ny fampihavanam-pirenena momba ny fandripahana ny governemantan'ny filoha Joko “Jokowi” Widodo.

“Latsaka an-katerena ny demaokrasia”

Saingy ny fihetsiketsehana tamin'ny 17 septambra dia tsy fampahatsiahivana fotsiny ny fahatsapana maharitra anti-kômônista ao amin'ny firenena, fa koa fitohizan'ny herimpanahin'ireo singa mpanohana an'i Suharto ao amin'ny laharan'ny polisy sy miaramila.

Ho setrin'izany toe-javatra izany, nampiasa ny tenirohy #DaruratDemokrasi [4] (demaokrasia latsaka an-katerena) ny mpikatroka mba hanoherana ny fanakanan'ny polisy ny seminera sy ny tsy fahombiazan'ny manampahefana hampiato ny vahoaka anti-komonista tsy hanorisory ny mpikambana ao amin'ny LBH.

Manohana ny asan'ny @LBH_Jakarta [11] & @YLBHI [12] ny AJAR ary mangataka amin'ny fanjakana mba hiaro ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny fahalalahana miteny.

Antso ho firaisankina. Nahoana no tsy maintsy tapahina ny adihevitra momba ny tantara? Midika ve izany fa tena meloka ny fanjakana?

Nitatitra [17] ny Firaisan'ny Mpanao Gazety Tsy Miankina (AJI – Aliansi Jurnalis Independen) fa na dia ny mpanao gazety aza dia tsy navelan'ny polisy hanangom-baovao ny seminera.

Nanipika  [18]ny Firaisan'ny Gazety Azia Atsimo-Atsinanana fa nitarika “fanafoanana an-katerana” ny seminera ny “hetsika tsy ara-dalàna” nataon'ireo mpitandro filaminana hametraka sakana. Nampitandrina ny fikambanana fa niteraka “ahiahy momba ny toetry ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahana momba ny fivorivoriana sy ny fikambanana ary ny demokrasia lehibe indrindra any Azia atsimo atsinanana” izany.

Namoaka lahatsoratra [19] nitsikera ny tsy fahombiazan'ny governemanta hanaja ny fahalalahana miteny ny gazety Jakarta Post :

We condemn the police for failing to protect our hardwon freedom of speech, with lame excuses that the situation posed a dilemma for them. If the talks had continued, they said, the protesters would have become more restless

The weekend until the wee hours of Monday, which saw the evacuation of the seminar participants, will go down in history as President Joko “Jokowi” Widodo’s failure to firmly protect our freedom of speech. This constitutional right is vital in addressing unresolved human rights violations, among his reiterated pledges.

Manameloka ny polisy izahay noho ny tsy fiarovany ny fahalalaham-pitenenana, miaraka amin'ny fialan-tsiny mamitaka fa niteraka olana ho azy ireo ny toe-javatra. Raha nitohy ny seminera, hoy izy ireo, dia vao mainka miha maherisetra ny mpanao fihetsiketsehana

Hipetraka ho tantara ny faran'ny herinandro hatramin'ny marainan'ny Alatsinainy, izay nahitana ny famindrana ireo mpandray anjara tamin'ny seminera satria tsy nahavita niaro mafy ny fahalalahantsika miteny ny filoha Joko “Jokowi” Widodo. Manan-danja ity zo fototra voalazan'ny lalàm-panorenana ity amin'ny firesahana momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izay tsy voavaha, anisan'zany ireo fampanantenana naverimberina.

Nandrisika [20] ny governemanta mba “hampitsahatra ny fandrahonana mihagoavana ny fiarahamonim-pirenena Indoneziana” i Timor atsinanana sy ny Indonesia Action Network. Hoy koa ny vondrona hoe:

The hardline groups of today are alarmingly similar to the paramilitaries of the New Order regime [Suharto era]. Indonesia must learn from the past and ensure that this time these groups do not enjoy any impunity.

Ny vondrona mahery fihetsika ankehitriny dia mampatahotra fa mitovy amin'ireo mpianatra miaramila ao amin'ny  fitondrana Baiko Vaovao [vanim-potoana Suharto]. Tsy maintsy manatsoaka lesona tamin'ny lasa i Indonezia ary miantoka fa amin'ity indray mitoraka ity, tsy hankafy ny tsimatimanota ireo vondrona ireo .

“Hiteraka tontolon'ny tahotra ny fanafihana ny biraon'ny YLBHI”

Nanome tsiny [21] ny polisy ny Forum Aziatika misahana ny Zon'olombelona sy ny Fampandrosoana (FORUM-ASIA)  noho ny famelany ny andian'olona hihodidina ny tranoben'ny LBH:

The complete inaction of the police to stop this violence, contributes to the erosion of democracy and violations of the rights to freedoms of expression and assembly in Indonesia.

Ny tsy fihetsehan'ny polisy hanakana ity herisetra ity dia manampy amin'ny fanimbana ny demaokrasia sy ny fanitsakitsahana ny zon'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fivoriana ao Indonezia.

Mandritra izany, nanohitra tamin'ny fampiasana ny tenirohy #DaruratPKI (PKI Maika) ireo vondrona anti-komonista mba hampitandremana ny vahoaka momba ny firongatr'ilay lazaina ho singan'ny PKI ao amin'ny fiarahamonina. Niresaka momba ny fandrahonan'ny  [22]PKI maika ihany koa ireo vondrona manana rohy ara-miaramila.

Na dia izany aza, ireo voampanga ho komonista dia matetika ireo olom-pirenena liana te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny tantaran'ny firenena, indrindra ny vanim-potoana talohan'ny naha filoham-pirenena an'i Suharto.

Ny asan'ny polisy tamin'ny fanakanana ny seminera sy ny hetsika sahisahy nataon'ny vondrona anti-komonista dia mety midika fa mbola ho lavitra be ny fotoana hahafantaran'ny Indoneziana ny marina momba ny vono olona tamin'ny taona 1965.

Hiteraka tahotra ho an'ireo tafavoaka velona tamin'ny taona 1965 hamoahana ny marina momba ny voina ny fanafihana ny biraon'ny YLBHI.