- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hamonjy MozFest na Misinfocon ve? Miaraha Aminay!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, NewsFrames, Rising Voices

Loharano: Mozilla Blog [1] (CC BY-SA 3.0)

Ao anatin'ilay MozFest 2017 hatao ato ho atao ao Londona, hasehon'ireo topimason'ny GV ny ezaka ataonay ary tianay ny mba hahita anareo any raha any an-toerana ianareo na akaikikaiky. Mbola eo an-dalam-panadiovana ny tranonkala ofisialy – manaraha tsy tapaka! – fa ireto aloha ny sasantsasany amin'ireo hetsika efa fantatra :

 

 

Ny sasany aminay dia hanatrika ihany koa ny Misinfocon London [5] izay hanomboka mialoha kelin'io, ny Alarobia 25 Oktobra.

Raha misimisy amintsika no any amin'ny manodidina, tianay indrindra ny hahafantatra raha misy fotoana afaka hiarahana ao anatin'ilay endrika GV miravoravo.

Araka izany, ampahafantaro anay ary aza misalasala mizara raha misy fotoam-pivoriana fanampiny ho asehonareo rehetra ihany koa! Hojerenay izay fomba hifandraisantsika tsy tapaka momba an'io. 🙂

Miandrandra fatratra ny hahita ny sasany aminareo any!