- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Manao Fihetsiketsehana Manerantany Ny Iraniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)
[1]

Raha maro ireo vavolombelona tao Teheran nilaza [2] fa nipoaka ny fifandonana lehibe teo amin'ny mpitandro ny filaminana Iraniana sy ny mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny tsingerintaona voalohan'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona, nisy ihany koa ny hetsi-panoherana nitranga tany amin'ireo tanàna maro hafa manerantany [3], tahaka ny tao Ankara, Torkia, Vancouver, Canada, izay nihiakiahan'ny olona fanoherana ny governemanta ao Iran.

Lahatsary maro no miseho ao amin'ny YouTube.

Japana: mpanao didy jadona, mialà ny firenena

Canada: miaraka amin'ny sarontava sy solosaina finday

https://youtube.com/watch?v=oT4InxqZBww

Torkia: hiakiaka ao amin'ny masoivohon'i Iran

https://youtube.com/watch?v=Xc82bNlOyyo