- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jamaika: Vetivety Dia Mahazo Dolara Amin'ny Fanatsarana Ghetto

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta

(Marihina fa tamin'ny 2 Janoary 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Naka sary ireto zatovovavy ireto [1] i Ria Bacon tamin'ny Desambra 2006 tao amin'ny Lalàna Barbican tany Kingston, Jamaika. Araka ny fanazavany tao amin'ny bilaoginy hoe [2]:

In the week before Christmas, many of the poorer areas of Kingston get a quick makeover, as hundreds of local residents hack at overgrown pavements and daub the kerbs with whitewash. They are motivated not by a spontaneous burst of civic pride, but rather by the promise of a day’s work, usually paid for by the local politician. For some, it will be one of a few rare days of paid employment each year. It is noticeable, but not surprising, that most of the workers are women.

Although J$1,000 per day is surely welcome at this time of year, it does little to break the culture of clientelism [3] and certainly falls short of providing long-term benefit to the individuals or the community.

As the Jamaican-Chinese proverb says:

Give a gyal a brush an’ she paint for a day. Give ‘er a heducation, a microcredit loan, a clean and safe environment

Ah man! Jus’ give ‘er de damn brush, y’hear?!

Ny herinandro talohan'ny Krismasy, maro tamin'ireo faritra mahantra ao Kingston no nanao fanatsarana vonjimaika, raha  nidina teny amin'ny lalàn'ny mpandeha an-tongotra ireo mponina an-jatony ao an-toerana ary nandoko ny sisiny tamin'ny lokorano fotsy. Tsy noho ny fientanana tamin'ny fireharehan'ny vahoaka akory no nanosika azy ireo hanao izany, fa noho ny fampanantenana ny asa iray andro, izay matetika ny mpanao politika eo an-toerana no manakarama. Ho an'ny maro, anisan'ireo andro vitsy hikaramana isan-taona izany. Tsikaritra fa tsy mahagaga raha vehivavy ny ankamaroan'ny mpiasa.

Na dia inoana aza fa ankasitrahana ny 1000$ Jamaikana isan'andro amin'izao vanin-taona izao, dia tsy dia mahavita inona loatra izany mba hisorohana ny kolontsain'ny fanangonana mpifidy ara-politika [3] ary azo antoka fa tsy manome tombony maharitra ho an'ny tsirairay na ny vondrom-piarahamonina akory.

Araka ny filazan'ny ohabolana Jamaikana-Shinoa hoe:

Omeo ny tovovavy iray ny borosy ary ‘handoko mandritra ny iray andro izy. Omeo azy ny fanabeazana, ny fampindramam-bola madinika, ny tontolo madio sy azo antoka

Ô lety e! Omeo azy fotsiny ilay borosy, henonao izany ?!

Ny volana Oktobra 2007 ny fifidianana parlemantera any Jamaika [4]  .