- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antoko Alemàna Manohitra Ny Fifindràmonina, Mikendry Ireo Rosiana-Alemàna Mpifidy Aminà Dokambarotra Mankajala Vahiny

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Alemaina, Rosia, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet

Antoko Alemàna Manohitra ny fifindràmonina AfD, mikendry ireo Rosiàna-Alemàna mpifidy aminà dokambarotra momba ny fifidianana. Sary nomen'ny AfD Hambourg maimaimpoana.

Ny Alternative für Deutschland (Safidy Hafa ho an'i Alemaina, na AfD ho fanafohezana azy), antoko mpanohitra fifindràmonina, mitàna ny nentin-drazana, Euroskeptic, mifaninana amin'ireo fifidianana federaly ho ao amin'ny Bundestag any Alemaina, dia sahirana mafy maka ny fon'ny ampahan'ny mpifidy tena tiany: Alemàna miteny Rosiana.

Mpomba an'i Kremlin hatrany am-boalohany ihany koa ny AfD, izay loharanonà ahiahy [1] lalandava momba ny mety fitsabahan'ny governemanta Rosiana amin'ireo fifidianana ao Alemaina. Miezaka mafy tokoa ny antoko amin'ny fikendrena [2] ireo Alemàna-Rosiana, hany ka maro ireo fikambanana zanaka ampielezana no naneho am-pahibemaso ny fialàny lavitra [3] ny kabariny tsara lahatra.

Fa vao haingana, nanao zavatra mahoraka na tsy vazavazaina aza, sy manafintohina, na amin'ireo mpanara-dia azy aza, ny antoko eo an-toerana AfD any Hambourg — fonenan'ireo vondrom-piarahamonina maro miteny Rosiana. Ao amin'ny pejy Facebook-ny, AfD Hambourg dia nandefa fampielezan-kevitra tamin'ny teny Rosiana [4], feno hadisoana tsipelina sy amin'ny fitsipipitenenana, fa tsy izany no tena ratsy indrindra mikasika io. Nampiasa fiteny mankahala vahiny io, izay efa tamin'ny andron'ny fanafihan'ny  Mongola an’ [5]ireo fanjakana tamin'ny taonjato Faha-13 nialoha làlana an'ilay Rosia ankehitriny.

Ito ambany ito ny fandikàna ilay fampielezan-kevitra avy tamin'ny teny Rosiana:

Смело за Германию и наших детей
Не званый гость хуже татарина
Защищать границы, высылать исламистов!

Miaraka amin'ny hasin'i Alemaina sy ireo zanatsika
Ratsy noho ny Tatar ny vahiny tsy niriana
hiarovana ny sisintanintsika, handroahana ny islamista!

Milaza izao ny lahatsoratra miaraka aminy:

Личное обращение к немцам из России в Гамбурге

Уважаемые Гамбуржцы, родившиеся в бывшем СССР! 24. сентября 2017 будут выборы. В связи с этим у немецкого народа будет возможность остановить вредную политику, последствия которой описаны высше. Я глубоко убеждён в том, что наступила пора совершить жёсткий поворот в политике; поэтому я обращаюсь к Вам за помощью. Будучи народом, история которого прежде всего связана с жестокими политическими переворотами, Вы очень точно замечаете, когда политика и общество подвергаются фундаментальным изменениям. Гамбургская Фракция АфД убеждена в том, что делам и нуждам немцев из России по сей день не уделяют должного внимания в политическом дискурсе. Поэтому нам хотелось бы наладить с Вами общение и узнать о Вашем опыте. Отныне Вы можете звонить нам по горячей линии 040 / 428 31 25 18. Давайте бороться за нашу страну плечом к плечу, поддерживая AfD на выборах 24. Сентрября 2017. Помогите мне, стать депутатом в Бундестаге, где я буду отстаивать интересы нашего города.

Dr. Bernd Baumann [6]
первый кандидат Гамбурга
Дальнейшая информация:
http://bit.ly/2xhuS7s [7]
#AfD [8]#Russland [9]#Deutschland [10]#Hamburg [11]

Antso manokana ho an'ireo Alemàna manam-piaviana Rosiana any Hambourg
Ry avy ao Hambourg teraka tany URSS taloha! Ny 24 Septambra 2017, hotontosaina ny fifidianana. Araka izany, homena ny firenena Alemàna ny fahafahana hanova fiantraikany ratsy amin'ny politika voalaza etsy ambony. Tena resy lahatra tanteraka aho fa fotoanan'ny tokony hanaovana fiverenana ara-politika izao. Izany no itadiavako ny fanampianareo. Amin'ny maha-firenena tafavoaka velona tamin'ireo korontana ara-politika maro anareo, fantatrareo tsara rehefa misy fiovàna fototra ny politikan'ny firenenareo sy ny fiarahamoninareo. Resy lahatra ny biraon'ny AfD any Hambourg fa tsy raharahian'ny lahateny ara-politika ankehitriny mihitsy ireo raharaham-barotra sy zavatra ilain'ireo Alemàna Rosiana. Noho izany, liana ny hifampiresaka aminareo sy hahafantatra izay zavatra niainanareo izahay. Manomboka izao, afaka mifandray aminay amin'ny fiantsoana ny nomerao 040 / 428 31 25 18 ianareo. Andao soroka miaraka milanja mba hiady ho an'ny tanindrazantsika amin'ny fanohanana ny AfD amin'ireo fifidianana ny 24 Septambra. Ampio aho ho lasa mpikambana voafidy ao amin'ny Bundestag izay hiadiako ho an'ireo tombontsoan'ny tanànantsika.
Dr. Bernd Baumann
Kandidà voalohan'i Hambourg
Fanampim-panazavana: http://bit.ly/2xhuS7s [7]
#AfD [8]#Russland [9]#Deutschland [10]#Hamburg [11]

Ireo Tatars voalaza ao amin'ny fampielezan-kevitra dia ny foko lehibe indrindra sy ny vitsy an'isa ara-pinoana ( Silamo Sunni) any Rosia. Monina ao amin'ny repoblika federalin'i Tatarstan ny ankamaroan'izy ireo, ampahan'i Rosia hatramin'ny taonjato Faha-16.

Maro amin'izy ireo no monina ihany koa any Alemaina, lasa ampahan'ny zanaka am-pielezana miteny Rosiana — noho izany, raha lazaina tsotsotra, niteraka olana sy niteraka valiny teo noho eo avy amin'ireo mpihaino nokendreny ilay fampielezankevitry ny AfD.

Amin'ireo fanehoankevitra 100 mahery amin'ilay lahatsoratra tao amin'ny Facebook, ny ankamaroany dia tena faran'izay mitsikera mafy ny fanandraman'ny AfD hiresaka amin'ireo mety ho mpifidiny amin'ny teny Rosiana , ary mazava ho azy, ny tsy fitiavana vahiny mivandravandra anatin'ilay hafany.

Ireo hafa, teraka Alemàna, dia fanina amin'ny hafatra iray aminàteny vahiny tsy azon'izy ireo. Nisy mpampiasa Facebook nanoratra izao:

Экономические беженцы, бежавшие от совковой нищеты, ненавидят беженцев из горячих точек, бегущих от российских бомбардировок. А путлерские СМИ об этом рассказывают в киселёвских часах промывания мозгов.

Ankehitriny mpitsoaponenana ara-toekarena, nandositra avy tamin'ny fahantran'ny Sovietika, no lasa mankahala ireo mpitsoa-ponenana avy amin'ireo toerana voadaroka baomban'ny hery an-habakabaka Rosiana. Ary ireo media an'i Putler [“Putler” izay fikambanan'ny anarana Poutine sy Hitler] dia nidera ilay fandarohana baomba nandritra ny fotoanan'ny fanasana atidohan'i [Dmitry] Kiselyov [mpanentana faran'izay tsy mivadi-belirano avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ao amin'ny fahitalavi-panjakana Rosiana].

Nisy iray hafa nandrahona ny hitory ny AfD:

от немки, родившейся в бывшем СССР, лично херу Бауманну: поскольку я только за то, чтобы бороться за нашу страну, думаю подать на Вас и Вашу “партию” в суд за разжигание межнациональной розни (знаете, статья такая есть в немецком законе, §130 “Volksverhetzung”, неплохо бы знать законы нашей страны, а ещё лучше соблюдать)

Ito ny hafatro manokana ho an'i Herr Baumann, avy amin'ny vehivavy Alemàna iray teraka tany amin'ny URSS taloha : satria aho manaiky ny hiady ho an'ny firenentsika, mieritreritra ny hitory anao sy ny “antokonao” aho noho ny fihantsiana fifankahalana foko (fantatrao moa, heloka bevava izany araka ny lalàna Alemàna, [article] §130, izay tokony ho fantatrao na hajaina mihitsy aza)

Mety tsara raha hoe hanimba ny fanantenany amin'ny fifidianana ireo solontenany ho ao amin'ny Bundestag ny AfD tamin'ny fanintonana ny vondrom-piarahamonina miteny Rosiana amin'ny fomba maloto toy izany. Mpaneho hevitra iray ao amin'ny Facebook nametraka mazava hoe:

Теперь я точно за CDU голосую

Izao no izy, amin'izao, tapaka tanteraka ny hevitro fa hifidy ny CDU aho [Fikambanana Kristiana-Demokraty, antokon'i Angela Merkel izay nokianin'ny AfD mafy ny politikany momba ny fifindramoniny]

Voaresaka be tato ho ato ny vondrom-piarahamonina Rosiana-Alemàna ary matetika voasoratra ao amin'ny media [12] — tsy an-tahotra, milaza ny mpikambana ao aminy — ho toy ny “andry fahadimin'i Poutine” na “soavaly Trojan” any Alemaina. Famoahana [13] vao haingana tao amin'ny gazetiboky New York Times Magazine no maneho antsipirihany ilay “raharaha Liza” mahamenatra, izay nandefasan'ny sampana fahitalavitra Rosiana mikasika ny lazaina ho fanolanana tavovavy Rosiana-Alemàna nataon'ireo “mpifindra monina Arabo”, nahatonga fihetsiketsehana nasionaly nanohitra ny fifindràmonina. Nolazaina ho tsy nitombona moa taty aoriana ilay fiampangana, fa nanomboka hatramin'izay ny “raharaha Liza [14]” dia lasa nampiasaina ho ohatra amin'ny fitsabahana mitratrevatreva ataon'i Rosia amin'ny  raharahan'ireo firenena hafa, amin'ny alàlan'ny fampielezankevitra sy fambolena tahotra ao amin'ny media sosialy.