- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Madonna Sy Ny Fiangonana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Hanao fampisehoana ao Moskoa i Madonna ny 11 septambra, ary efa namoaka fanambarana [1] manakiana ny fampisehoana sahady ny Solontenan'ny Kristiana Ortodoksa sy Miozolomana .

Tsy nankafy ny hevitry ny mpitondra fivavahana [2] (RUS) ilay tomponà trano fampirantiana fanta-daza sady mpanolontsaina ara-politika malaza teo aloha [3] Marat Guelman ( galerist mpisera LJ ) :

And now the popular American singer Madonna hasn't yet arrived in Moscow, but has encountered, in absentia, harsh criticism from the Russian Orthodox Church (RPTs).

[link to a Russian-language news story omitted]

And this is okay – it's the church's duty to recommend its followers not to attend concerts, films and exhibitions. Like, art and the RPTs are incompatible.

Ary ankehitriny raha mbola tsy tonga tao Moskoa akory ilay mpihira Amerikana malaza, Madonna, dia efa nahazo tsikera mivaivay avy amin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ( RPTs ) sahady.

[nesorina ny rohy mankany amin'ny vaovao amin'ny teny Rosiana ]

Ary tsara izany – adidin'ny fiangonana ny manoro hevitra ny mpanara-dia azy mba tsy hanatrika ny fampisehoana, ny sarimihetsika ary ny fampiratiana. Tahaka  ny tsy fifanarahan'ny ny zavakanto sy ny RPTs.

Tao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra, toa ny firedaredana no tena hita fa tsy ny firaisan-kina teo amin'ny hevitra- na io momba ny toeran'ny fiangonana, na i Madonna, na i Marat Guelman:

warsh [4]: Father Vsevolod Chaplin [head of the Moscow Patriarchy's department for external relations, who issued the Madonna concert statement] also spoke in the news about the not-so-obvious incompatibility of the RPTs and the internet.

[…]

mcparker [5]: Well, Guelman, you folks over there in [Moscow] have gone completely nuts. To call your gallery and Madonna art – that's not even funny. Despite all my respect to Madonna.

aenocyon [6]: This isn't a simple issue. Even La Gioconda's creator couldn't find a home for her for a long time, and there are many other examples – say, Faberge was considered tacky by contemporaries. As for me, I am indifferent to Madonna, but what matters is that the RPTs has remained a loyal branch of the [CPSU's Central Committee], only today they can [kiss] in public with members of the [United Russia [7]] and award them with medals.

[…]

gugomat [8]: Yes, yes. It's also time to start burning artists on the stake en masse. Traitors of the faith!! 🙂

salnikov_vova [9]: Madonna ain't an artist. Her songs are poo. She herself is a Coca Cola.

gugomat [8]: Oh! Here come the artists. We'll start with you :)))

sergelin [10]: Madonna is the best.

mr_quietest [11]: A silicone fool. There're [plenty] of “artists” like her in any music school.

 

[…]

gubalance [12]: What makes you feel uneasy? The believers will pay attention, and atheists and people of other faiths will do as they see fit. What's wrong with parents correcting their children's ways, for example, and explaining why?

galerist [13]: Church instead of parents and adult believers as little kids?

kubedinov [14]: For most people this is how it works, more or less: the Church provides reference points, which is normal and good. Most people are, of course, not as smart, successful and independent as you are, Marat. Please forgive them for it.

gubalance [12]: As far as I understand, you don't believe in God?

galerist [13]: I do believe – but without intermediaries.

[…]

narodzash [15]: Oh well, here begins Guelman's new promotion campaign.

 

warsh [4]: niresaka  tao amin'ny vaovao momba ny tsy fisian'ny tsi-fifanarahana miharihary eo amin'ny RPTs sy ny aterineto ihany koa ny mompera Vsevolod Chaplin [lehiben'ny sampan-draharahan'ny fifandraisana ivelany ao amin'ny Patriarkia ao Moskoa, izay namoaka ny fanambarana mikasika ny fampisehoan'i Madonna].

[…]

mcparker [5]: Eny , Guelman, tena lasa adala ianareo olona ao [Moskoa] ao. Miantso ny trano fampirantianareo sy i Madonna ho zavakanto – tsy mampihomehy akory izany. Na eo aza ny fanajako tanteraka an'i Madonna.

aenocyon [6]: Tsy tsotra ity raharaha ity. Na dia ny mpamorona ny La Gioconda aza dia tsy mahita trano ho azy ho amin'ny fotoana maharitra, ary misy ohatra marobe hafa milaza fa, noheverin'ny ankehitriny ho ratsy safidy i Faberge. Raha ho ahy kosa, tsy miraharaha an'i Madonna aho, kanefa ny tena zava-dehibe dia ny hoe nijanona ho sampana mahatokin'ny [Komity Foiben'ny CPSU ] ny RPTs, androany ihany izy ireo no afaka [manoroka] eo imasom-bahoaka miaraka amin'ny mpikambana ao amin'ny [Rosia Mitambatra [7]] ary mandravaka azy ireo medaily.

[…]

gugomat [8]: Eny, eny. Fotoana izao hanombohana ny fandoroana faobe ny mpanakanto ao amin'ny tsatòka. Mpivadika amin'ny finoana !! 🙂

salnikov_vova [9] : Tsy mpanakanto i Madonna. Tay ny hirany. Coca Cola ny tenany.

gugomat [8]: Oh! Tonga eto ireo mpanakanto. Hanomboka miaraka aminareo izahay :)))

sergelin [10]: Madonna no tsara indrindra.

mr_quietest [11]: Adala silikônina. Misy “mpanakanto” [maro] tahaka azy any amin'ny sekolin'ny mozika rehetra.

[…]

gubalance [12]: Inona no mahatonga anao ho sadaikatra? Hitandrina tsara ny mpino, ary hanao izay mety aminy ny tsy mpino sy ny olona avy amin'ny finoana hafa. Inona no tsy mety ataon'ny ray aman-dreny manitsy ny lalan'ny zanany, ohatra, ary manazava ny anton'izany?

galerist [13]: Toy ny ankizy kely ve ny fiangonana maka ny toeran'ny ray aman-dreny sy ny mpino olon-dehibe?

kubedinov [14]: Tahaka izany ny fandehany ho an'ny ankamaroan'ny olona : manome toro-hevitra ny Fiangonana , izay ara-dalàna sy tsara.  Mazava ho azy fa tsy tena maranitra, mahomby ary mahaleo tahaka anao, Marat, ny ankamaroan'ny olona. Miangavy anao mba hamela azy ireo.

gubalance [12]: Raha ny fahazoako azy, tsy mino an'Andriamanitra ianareo?

galerist [13]: Mino aho saingy tsy misy mpanelanelana.

[…]

narodzash [15]: Eny, manomboka eto ny fanentanana vaovao ataon'i Guelman.

Nahatakatra ny toerana misy ny fiangonana [16] ny bilaogera iray hafa – mpisera LJ plushev, mpanao gazety ao amin'ny onjampeo saingy tsy voatery nanaiky izany:

I don't understand why everyone is so surprised by the [Orthodox Church's] recommendations, announced by Vsevolod Chaplin, to ignore Madonna's concert. This is the church's internal business. It does not ask the government to cancel or ban the show, so we are not talking about interference in the worldly affairs here. And no matter how critical we may be of the RPTs, it's probably not good for us, laymen, to interfere in the church's affairs.

This is an absolutely normal and the only correct practice, for the church to voice its opinion on various issues and to recommend or not recommend its followers to do something or not to do it. Moreover, why the hell should there be the institute of the church if not for recommendations like this? This is basically what a pastor's for: those who for some reason don't have a position of their own, they can adopt the position of their spiritual leader. A person [capable of independent thinking] will, of course, ignore such calls, but the congregation isn't known for critical worldview and needs specific reference points: these ones are good and those ones are bad.

And although, if you count the heads, we have a great number of Orthodox [Christians], baptised as children without consent, this is nothing but a formality and the real faithful in our country are very few. And so Chaplin's call has nothing to do with the majority of the people.

 

Tsy azoko hoe maninona ny olona no gaga tamin'ny toro-hevitry ny [Fiangonana Ortodoksa], izay nambaran'i Vsevolod Chaplin, mba tsy hiraharaha ny fampisehoana ataon'i Madonna. Izany no raharaha sahanin'ny fiangonana. Tsy mangataka ny governemanta izy hanafoana na handrara ny fampisehoana, noho izany tsy miresaka momba ny fitsabahana amin'ny raharahan'izao tontolo izao isika eto. Ary na toy inona aza ny mety ho fanakianantsika ny RPTs , dia tsy tsara ho antsika , lahika, ny mitsabaka amin'ny raharahan'ny fiangonana.

Tena ara-dalàna izany ary ny hany fomba tokana mety, ho an'ny fiangonana mba hilazana ny heviny momba ny olana samihafa ary manoro hevitra na tsia ny mpanara-dia azy mba hanao zavatra na tsy hanao izany. Ankoatra izany, nahoana no misy ny ivontoeran'ny fiangonana raha tsy hanaovana toro-hevitra toy izany? Izany indrindra no ilàna mpitandrina : ireo izay tsy manan-kevitra noho ny antony sasany, dia afaka mandray ny hevitry ny mpitarika ara-panahin'izy ireo. Ny olona iray izay [mahavita misaina samirery] dia mazava ho azy fa tsy hiraharaha ny antso toy izany, kanefa tsy natao hitsikera ny fomba fijerin'izao tontolo izao ny fiangonana ary mila andininy manokana vitsivitsy: ny tsara sy ny ratsy .

Ary mahita ianao raha manisa fa maro ireo Ortodoksa [Kristiana] , vita batisa tahaka ny zaza tsy misy fankatoavana, fombafomba ihany izany fa tena vitsy ny mpino marina eto amin'ny firenentsika . Ary noho izany, tsy misy ifandraisany amin'ny ankamaroan'ny olona ny antson'i Chaplin .

Nisy ihany koa ny fifandirana tao amin'ireo fanehoan-kevitra, tsy nisy ifandraisany tamin'ny lahatsoratr'i plushev ny ankamaroan'izany. Bilaogera vitsy tamin'ireo mpihaino azy kosa no toa mino fa hampitombo ny lazany ny tsikera nataon'ilay mpitondra fivavahana ampahibemaso an'i Madonna :

boroda_v_nature [17]: This is exactly what Madonna is counting on: the ones who are curious because something's forbidden.

[…]

spiridonov [18]: I think that many suspect that the tour's organizers have this line in their “Advertisement Expenses”: “Negative comment on the concert from [the Russian Orthodox Church] – $N000.”

boroda_v_nature [17] : Izany indrindra no antenain'i Madonna: ireo izay liana satria misy zavatra voarara.

[…]

spiridonov [18]: Heveriko fa maro no miahiahy fa manana ity teny ity tao amin'ny “Fandaniam-bolan'ny Dokambarotra” ireo mpikarakara ny fampisehoana: “Fanehoan-kevitra miiba momba ny fampisehoana avy amin'ny [Eglizy Ortodoksa Rosiana] – $ N000.”

Nampahatsiahy olona iray hafa izay tsy noraisina tao Rosia sy ny Eglizy Ortodoksa ny mpaneho hevitra iray :

lovekraft [19]: What I don't understand is why the Pope isn't allowed into Russia 🙁
(they let everyone but him in…)

lovekraft [19]: Ny tsy azoko dia ny antony tsy namelana ny Papa ho aty Rosia  🙁
(navelany avokoa ny olona rehetra afa-tsy izy ihany….)