- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Miteraka Fisondrotam-bidim-piainana Ny Fanapahana Ny Fanampiana Ara-bola

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Bandar-Abbas strike [1]

Nanoratra i Sabzlink fa nanomboka fitokonana tao amin'ny seranan-tsabo Bandar Abbas ao amin'ny faritra atsimon'i Iran ireo mpiasa.

Atahorana hiteraka olana ho an'ireo saranga antonony marobe sy olom-pirenena mahantra ao Iran ny fampihenana goavana ny famatsiam-bola izay nitazona ny vidin'ny entana isan-karazany ho ambany.

Araka ny voalazan'ny MSNBC [2], “farafahakeliny niakatra avo efatra heny ny vidin'ny solika ary mihoatra ny avo roa heny ny  vidin'ny mofo tamin'ny herinandro lasa hatramin'ny nampihenan'ny governemanta ny fanampiana ara-bola”.

Nilaza ireo mpitarika ny mpanohitra Mir Hossein Mousavi sy Mehdi Karroubi tamin'ny Alarobia fa miandry ny toekarena “ny hoavy maizina” satria tsy mihaino ireo mpahay toekarena ny governemanta (mpahay toekarena iray no voasambotra  [3]rehefa avy niresaka tamin'ny media vahiny).

Naneho hevitra ihany koa ireo bilaogera Iraniana mikasika izay nantsoin'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad hoe “fandidiana lehibe indrindra” eo amin'ny toekarena Iran tao anatin'ny 50 taona.

Bilaogera maromaro, anisan'izany ilay bilaogera mpomba an'i Ahmadinejad, no naneho ny ahiahiany lalina mikasika ny fiantraikan'ny fampihenana ny fanampiana ara-bola.

Azarmehr nanoratra [4]hoe:

On Saturday, Ahmadinejad finally announced the removal of subsidies which have been keeping the prices artificially low in Iran's economy. To ease the pain of this move, each Iranian will receive a cash pittance amount in their bank accounts. In his televised announcement, Ahmadinejad, true to his messianic nature, referred to this cash as the Hidden Imam [5]‘s [Twelver Shi'a Muslims believe Mahdi is the hidden Imam] money. A zero interest loan endowed to the people of Iran by the Lord of All Ages, Imam Mehdi, who will return and rid the earth from corruption and injustice. How far this cash will go and whether this cash injection into the economy will cause inflation or hyperinflation is not what I want to talk about however.

Tamin'ny Asabotsy, nanambara fanesorana ny fanampiana izay nitazona ny vidin-javatra ho ambany teo amin'ny toekarena ao Iran ihany i Ahmadinejad nony farany. Mba hanamaivanana ny fanaintainana aterak'ity fanapahan-kevitra ity, handray fanampiana ara-bola kely amin'ny kaonty bankiny ny Iraniana tsirairay. Tamin'ny fanambarana nataony tamin'ny fahitalavitra, niresaka momba io vola io ho vola miafin'ny Imam [5] [mino ny Miozolomana Shiita fa Mahdi no Imam miafina] i Ahmadinejad, izay mahatoky amin'ny toetrany mesianika. Fampindramam-bola amin'ny taha zana-bola aotra ho an'ny vahoakan'i Iran no omen'ny Tompon'ny Vanim-potoana rehetra, Imam Mehdi, izay hiverina sy hanafoana ny kolikoly sy ny tsy rariny amin'ny tany. Hatraiza ny faharetan'io vola fanampiana io, ary raha miteraka fisondrotam-bidim-piainana na fisondrotam-bidim-piainana tafahoatra ny fanomezana vola, tsy izay no tiako resahana akory, na dia izany aza.

Azarak nilaza [6] hoe:

The 70 percent of Iranian families living under the poverty line will live a nightmare and could afford to buy new clothes and shoes for their children for the Iranian New Year [in three months]…people who criticize this economic plan will be arrested… Ahmadinejad will be dismissed but leave behind him a destroyed country.

Hiaina nofy ratsy ny 70 isanjaton'ny fianakaviana Iraniana miaina ao anatin'ny fahantrana ary tsy ho afaka hividy akanjo sy kiraro vaovao ho an'ny zanak'izy ireo amin'ny Taombaovao Iraniana [afaka telo volana] … ireo izay manakiana ity drafitrasa ara-toekarena ity dia hosamborina. .. Hoesorina amin'ny toerany i Ahmadinejad saingy hamela firenena ho rava.

Sabzeh Meidun vegetable market in Isfahan [7]

Tsenan'ny legioma Sabzeh Meidun ao Isfahan, Iran. Sary avy amin'i Alieh Saadat © Demotix (4 Aogositra 2009)

FreedomVoice nanoratra [8] fa ny saranga antonony sy ny mahantra no tena itambesarany indrindra ary ny fomba tsara indrindra hanoherana dia ny fitokonana faobe.

Nanakiana [9]ny drafitr'asa ara-toekarena ihany koa i Masaeb Ahmadinejad, bilaogera mpomba an'i Ahmadinejad. Mihevitra izy fa hiteraka korontana ny fanapahana ny fanampiana ara-bola, ary nanoratra fa nandritra ny fitondrana teo aloha, niteraka fitroarana ny fisondrotam-bidim-piainana. Nilaza koa izy fa avy amin'ny saranga antonony ny ankamaroan'ireo mpanohana an'i Ahmadinejad, ka mety hanimba ny endriky ny filoha ny toe-draharaha ara- toekarena misy.

Sabzlink kosa nanoratra fa nanomboka [10] nanao fitokonana (sary etsy ambony) ao amin'ny seranan-tsambo Bandar Abbas [11] any atsimon'i Iran ny mpiasa. Milaza ireo mpitokona fa ambony noho ny vola azon'izy ireo avy amin'ny mpanjifa ny vidin'ny lasantsy.