Mamoha Ilay Fifandonana Zeorziana-Armeniana Taloha Ilay Fifandirana Momba Ny Fiangonana Iray

Katedralin'i Kumurdo, fiangonana Zeorziana tamin'ny taonjato fahafolo ao amin'ny tanàna kely betsaka Armeniana izay sehatra nisehoan'ny fifandonana momba ny lovan'ilay fiangonana. (sary: Wikimedia Commons, Jaba1977)
Ity manaraka ity dia lahatsoratra fiaraha-miasa avy amin'ny EurasiaNet.org nosoratan'i Joshua Kucera. Navoaka indray rehefa nahazoana alàlana.
Nampihendratrendratra sy niteraka tahotra be hoe hizotra ho any amin'ny adim-poko ny fifanolanana naterak'ilay fifandonana momba ny ady fiangonana tany amin'ny faritra iray betsaka Armeniana any Zeorzia.
Tany Kumurdo, tànana kely saika feno foko Armeniana ao amin'ny faritr'i Samtskhe-Javakheti manamorona an'i Armenia no nisian'ilay fifandonana. Ao amin'io tanàna kely io no iorenan'ilay fiangonan'ny taonjato fahafolon'i Zeorzia, ny katedralin'i Kumordo, izay nanaovan'ny ministeran'ny Kolontsaina Zeorziana asa fanarenana.
Nisy fasana vitsivitsy hita nandritra io asa io. Nampiasain'ny Aremiana io fiangonana io nandritra ny taonjato roa farany , ary tamin'ny 30 Septambra nisy vondron'olona tao an-toerana nitondra khachkar iray – tsangambatom-pahatsiarovana nentim-paharazana armeniana – nankeny amin'ilay fiangonana mba hametraka izany ao amin’ ilay toerana izay inoan'izy ireo fa ilevenan'ny razambeny.
Tsy navelan'ny mpitandro filaminana hiditra tao am-piangonana ry zareo, ary dia niha-henjana ny toe-draharaha, niaraka tamin'ny tora-bato nataon'ny mponina tao an-toerana ny mpitandro filaminana izay niantso fanampiana tamin'ny vondrona manokana mpandrava korontana. Mpitandro filaminana efatra no voalaza fa naratra , ary olona roa avy ao an-toerana no voasambotra. Nilamina ihany ilay toe-draharaha rehefa nankany amin'ilay tanàna kely ny Minisitry ny atitany, Giorgi Mgebrishvili, ka nihaona tamin'ny solontenan'ny mponina tao an-toerana.
Any amin'ny faritra iray feno adim-poko, ny foko Armenianin'i Zeorzia (tokotokony ho dimy isan-jaton'ny mponina araka ny fanisambahoaka farany) dia azo lazaina ho milamina ihany. Fa ity tranga ity no atahorana hampiova izany.
” Nampahatsiahy ilay adim-poko nahatsiravina tamin'ny fiandohan'ny taona 90 ireo fifandonana ireo” hoy ny filazan'ny tranonkalam-baovao Democracy & Freedom Watch.
Tsy azo ihodivirana, fa nisy ireo karazana fiampangana fa hoe “fihantsiana” io fifandonana io. Maro no nanamarika fa taloha kelin'ny fifidianana monisipaly tany Zeorzia no nisehoan'io sombin-tantara io. Solombavam-bahoaka iray avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, Georgian Dream, sady mpikambana amin'ny vondrona Fifankatiavana Armenia-Zeorzia, David Chichinadze, no niteny tao amin'ny onjam-peom-panjakan'i Armenia fa “fihantsiana” nialoha ny fifidianana” izany.
“Nisy ireo nizara vola tamin'ny mponina tao an-tanàna. Azo antoka fa olana tokony ho vahàn'ny fiangonana sy ny mpitondra fiangonana izany, nefa misy olona te-hamadika izany ho resaka politika,” hoy i Chichinadze, fa tsy nanonona izay mety ho mpanakorontana izy.
“Na dia ireo Armeniana any Javakheti aza dia mihevitra fa “mampisalasala “ny vahoakan'i Kumurdo, hoy ilay Zeorziana iray mpanadihady, Mamuka Areshidze. “Tsy tsara ny lazan'izy ireo. Tanàna tena mety hisintona mankamin'ny heloka bevava i Kumurdo. Tsy avahako fa ny ” fijaliana” niaretan'ny vahoaka ao Kumurdo dia nampiasain'ny sasany mba hanararaotana ilay toe-draharaha sy handrehetana fifandonana, amin'ny fampiasana ireo fitakiana mikasika ilay fiangonana.”
Ny sasany, na izany aza, dia nihevitra fa fandranitana avy amin'ny mpitandro filaminana Zeorziana izany. ” Araka ny loharanom-baovaoko, tamin'ny andro nitrangan'ilay fifandonana dia tsy nihevitra ny hanangana ilay khachkar ny mponina ao Kumordo, fa ny hametraka izany aminà toerana iray azo antoka, ao an-tokotanim-piangonana”, ary nihevitra fa amin'ny faran'ny volana Oktobra no hananganana azy, hoy i Johnny Melikian, manampahaizana Armeniana momba ny fifandraisana amin'i Zeorzia. Tafahoatra ny fihetsiky ny mpitandro filaminana hoy i Melikian. “Araka ny hevitro, nisy ny fandranitana. Nanomboka ny fifandonana, izay nampiasan'ny mpitandro filaminana hery mafimafy kokoa noho izay nilaina, ary avy eo niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana mpandrava korontana,” hoy izy.
Fivoarana mampanahy izany na fandranitana na tsia. ” Ity trangan-javatra ity dia tahaka ny voa latsaka amin'ny tany efa lonaka tsara amin'ny fankahalàna vahiny, indrindra fankahalana Armeniana, naparitaky ny sasany, indrindra ireo mpomba ny Rosiana, any Zeorzia,” hoy ny soratra nataon'i Dmitry Avaliani, Zeorziana mpanao gazety, ao amin'ny pejy Facebook-ny.
“Vonona ny fifandonana : alain'ny Armeniana ny fiangonana Zeorziana amin'ny fomba fijerin'ny Zeorziana ; ny mifanohitra amin'izany kosa ny an'ny Armeniana. Nandritra ny 25 taona nahazoana ny fahaleovantena, na misy aza ny adiady madinika sasany, dia voasakanay mba tsy ho tonga ady goavana izany aty Samtskhe-Javakheti,” hoy hatrany i Avaliani nanohy. ” Ankehitriny, feno ny fepetra rehetra mety hihomboan'io toe-draharaha io — fankahalana vahiny izay niotrika an-taonany maro, ny fahalemen'ny andrim-panjakana, ny tsy fisian'ny politika mazava ho an'ny fampandrosoana ny faritra sy ny foko vitsy an'isa, ary ny tombontsoa betsaka ananan'ireo namantsika any Avaratra, izay misitraka ny fahalalahana tanteraka hitondra ny hetsika fanakorontanany aty Zeorzia.”
Fintinin'i Avaliani amin'ity teboka manan-danja ity ny lahatsorany : ” Ny hany zavatra tsara : tsy tombontsoa ho an'i Yerevan ny mandrava ny fifandraisana amin'i Zeorzia.” Na eo aza ny fihenjanana tsindraindray, sy ny maha-ao anatinà vondrona jeopolitika mifanohitra ( mpikambana amin'ny Firaisan'i Eoropa sy Azia ary ny fiombonan'ny fifanarahana momba ny fiarovana Iombonana amin'ny tranga any Armenia, ary ny solontenan'ny OTAN sy ny Firaisambe eoropeana any Zeorzia), samy mila tsara fifandraisana ireo firenena anankiroa mifanolo-bodirindrina ireo. Noho izany dia tsy tokony tsy ho lasa lavitra izany, na iza na iza mety mihantsy izany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...