- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fihetsiketsehana Andron'ny Mpianatra Ao Amin'ny YouTube

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nanohitra ny fitondrana Islamika androany tamin'ny alalan'ny hetsi-panoherana nandritra ny Andron'ny Mpianatra [1], ary nihiaka teny filamatra manohitra an'i Ali Khamenei [2], mpitarika ny Repoblika Islamika, ary nanao hetsi-panoherana ny politikan'ny raharaham-bahiny ny governemanta. Nandoro ny sarin'ireo mpitarika Iraniana ihany koa izy ireo. Araka ny filazan'ireo [3] tranokalam-baovao maromaro, nifandona tamin'ny mpianatra ny mpitandro filaminana ary nisambotra [4] ny sasany tamin'izy ireo. Araka ny mahazatra, nandrakotra ny hetsika androany sy namela izao tontolo izao hahafantatra momba izany ny olom-pirenena Iraniana.

“Nankaiza ny volan'ny solika”

Tao amin'ny Oniversiten'i Teheran, nihiaka hoe “Fahafatesana ho an'ny mpanao didy jadona” ny mpanao fihetsiketsehana ary koa hoe “Inona no nitranga tamin'ny volan'ny solika? Lasa any am-paosin'i Basijis (milisy Islamika).”

“Mpitandro ny filaminana, tohano tohano”

Tao amin'ny Oniversite Amir Kabir, ao Teheran ihany koa, nihiaka teny filamatra toy ny hoe: “Miala ny mpanao didy jadona”, “Mpitandro ny filaminana, tohano, tohano”, sy “Aza matahotra” ireo mpianatra.

Miala i Khamenei, teny an-dalan'i Tehran

Mahatsiaro ireo Martiora

Oniversiten'i Elmo Sanat ao Tehran nanao diabe niaraka tamin'ny sarin'i Kianoush Asa [5], mpianatra novonoin'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fahavaratra 2009.

Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny tanàna maro hafa tahaka ny tao Mashad ireo mpanao fihetsiketsehana.

… ary tao Kerman, izay niantsoantso izy ireo hoe “Rahalahy mpamafa lanana, fafao i Mahmoud [Ahamdinjead [6], filoha Iraniana]”