- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

MENA: Fotoam-panontaniana Taorian'ny Fanafihan'i Israely Ny Sambo Flotilla Mifandray Amin'i Gaza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Vonjy Voina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Rehefa milamina ny zava-drehetra, ary mivoaka ny “marina” sasany, mameno ny aterineto ireo andian-tsioka vaovao momba ny fanafihan'i Israely ny sambo flotilla mifandray amin'i Gaza. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolon'ny Twitter izay mamintina ireo fanehoan-kevitr'ireo mpiserasera manerana izao tontolo izao, ao ireo sasany manontany izay mbola iandrasantsika valiny.

Biledna nanontany tena mafy [1] hoe:

IDF has the boat, so why does it not disclose ALL security camera images so that we see what really happened.#flotilla [2]

Ny IDF no manana ny sambo, koa nahoana no tsy mamoaka ny sary rehetra tamin'ny fakantsary miafina mba hahitantsika izay tena nitranga. #flotilla [2]

MadamMiaow nanamarika  [3]hoe:

Israelis were shooting before they boarded #flotilla [2]. http://nyti.ms/98H0SF [4] Media coverage shaped by propaganda. http://bit.ly/a7mAfj [5]

Nitifitra ny Israeliana talohan'ny nidirany tao amin'ny #flotilla [2]. Miendrika fampielezan-kevitra ny fanangonam-baovao.

Ary i Floatingstone nanontany  [6]hoe:

So, which one is
it Israel? You say IDF DON't use 9mm handguns but the IDF soldier says
they do. Yet more lies and fabrications. #flotilla [2]

Noho izany, iza amin'ireo
Israely? Lazainao fa tsy mampiasa basy 9mm ny IDF kanefa milaza ny miaramila IDF fa mampiasa izy ireo. Mbola lainga sy zava-poronina marobe ihany.

Sami Parisis nanampy [7]hoe:

Activists stories all line up and are extremely accurate. IDF soldier accounts are all different and have gaps. #Flotilla [8] all the way!

 Milahatra avokoa sy tena marina ny tantaran'ireo mpikatroka. Samy manana ny filazany avokoa sy  banga ny fitantaran'ny miaramila IDF. #Flotilla amin'ny fomba rehetra!

Tamin'ny sioka hafa, Parisis nilaza  [9]hoe:

#israel [10] has employed tweeters to put in a good word. #Flotilla [8] is defended by people who believe. Not who get payed. That's the difference.

Nampiasa mpisera twitter mba hilaza teny tsara i Israely. Arovan'ny olona izay matoky kosa ny Flotilla.  [8]Fa tsy izay karamaina. Izay no maha samy hafa azy ireo.

Amna Saeed nanamarika hoe [11]:

The US and #Israel [12] are apparently the only countries incapable of terrorism. #gaza [13]#flotilla [2]

Etazonia sy #Israely  [12]no toa firenena hany tsy mahavita fampihorohoroana

Mandritra izany fotoana izany, namoaka sioka ny WorldPeace2Day [14], izay nisy nizara imbetsaka manerana ny tambajotra – nandritra ny 24 ora/24 satria mbola mitohy ny fivoarana. Anisan'ireo sioka farany indrindra nalefany ireto roa mifampiankina ireto [15] izay mampanontany hoe:

Why did Israel attack Gaza Flotilla in International waters? THIS IS AN ACT OF PIRACY THAT SHOULD BE PROSECUTED

Nahoana no nanafika ny Gaza Flotilla tao anatin'ny fari-drano iraisampirenena i Israely? ASA PIRATY IZAY TOKONY HOMELOHINA IZANY

Don't let Israel ‘wiggle out’ of answering the question: “Why did you attack and kill people in International waters?” #freedomflotilla [16]

Aza avela “mandositra” i Israely amin'ny famaliana ny fanontaniana hoe: “Nahoana ianao no nanafika sy namono olona tany amin'ny fari-drano iraisam-pirenena?”

Amin'ny sioka iray hafa, manontany [17]i WorldPeace2Day:

Food4Thought:
If Israel has a right 2defend itself, then why does it provoke
Palestine & Gaza 2defend itself &then call it an attack?

Sakafo ho fampieritreretana:
Raha manan-jo hiaro tena i Israely, nahoana izy no mihantsy
Palestina & Gaza miaro tena & avy eo miantso izany fa fanafihana?

Miresaka fiarovana, Sarah Janett nihiaka  [18]hoe:

Now,I admit. Israeli soldiers were defending themselves from most dangerous weapon: Pikachu http://bit.ly/9QKXDV [19]#flotilla [2]#FreedomFlotilla [20]

Ankehitriny, miaiky aho. Miaro tena amin'ny fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra ny miaramila Israeliana: Pikachu

Mitohy amin'ireo sioka hafa manerana ny tambajotra ny fanevatevana. Manontany ny fampiasana fanadihadiana iray hafa momba ny hetsik'i Isiraely i Kiliffe. Nisioka [21]izy hoe:

Doesn't matter if the Dalai Lama investigated the #flotilla [2] attack, Israel would still call the report a piece of crap.

Tsy misy dikany (ve) raha nanadihady ny fanafihana #flotilla [2] i Dalai Lama, dia mbola antsoin'i Israely fa tsy misy ilana azy ihany ny tatitra.

Ary farany fa tsy kely indrindra, Jnoubiyeh nitabataba [22] hoe:

If anyone ever needed any more evidence about the absolutely evil, sick & homicidal nature of the #Zionist [23] regime, they got it this week.

Raha misy olona mila porofo fanampiny momba ny toetra tena ratsy, marary sy mamono olona ataon'ny fitondrana #Zionist [23] , nahazo izany izy tamin'ity herinandro ity.