MENA: Fotoam-panontaniana Taorian'ny Fanafihan'i Israely Ny Sambo Flotilla Mifandray Amin'i Gaza

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Rehefa milamina ny zava-drehetra, ary mivoaka ny “marina” sasany, mameno ny aterineto ireo andian-tsioka vaovao momba ny fanafihan'i Israely ny sambo flotilla mifandray amin'i Gaza. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolon'ny Twitter izay mamintina ireo fanehoan-kevitr'ireo mpiserasera manerana izao tontolo izao, ao ireo sasany manontany izay mbola iandrasantsika valiny.

Biledna nanontany tena mafy hoe:

IDF has the boat, so why does it not disclose ALL security camera images so that we see what really happened.#flotilla

Ny IDF no manana ny sambo, koa nahoana no tsy mamoaka ny sary rehetra tamin'ny fakantsary miafina mba hahitantsika izay tena nitranga. #flotilla

MadamMiaow nanamarika hoe:

Israelis were shooting before they boarded #flotilla. http://nyti.ms/98H0SF Media coverage shaped by propaganda. http://bit.ly/a7mAfj

Nitifitra ny Israeliana talohan'ny nidirany tao amin'ny #flotilla. Miendrika fampielezan-kevitra ny fanangonam-baovao.

Ary i Floatingstone nanontany hoe:

So, which one is
it Israel? You say IDF DON't use 9mm handguns but the IDF soldier says
they do. Yet more lies and fabrications. #flotilla

Noho izany, iza amin'ireo
Israely? Lazainao fa tsy mampiasa basy 9mm ny IDF kanefa milaza ny miaramila IDF fa mampiasa izy ireo. Mbola lainga sy zava-poronina marobe ihany.

Sami Parisis nanampy hoe:

Activists stories all line up and are extremely accurate. IDF soldier accounts are all different and have gaps. #Flotilla all the way!

 Milahatra avokoa sy tena marina ny tantaran'ireo mpikatroka. Samy manana ny filazany avokoa sy  banga ny fitantaran'ny miaramila IDF. #Flotilla amin'ny fomba rehetra!

Tamin'ny sioka hafa, Parisis nilaza hoe:

#israel has employed tweeters to put in a good word. #Flotilla is defended by people who believe. Not who get payed. That's the difference.

Nampiasa mpisera twitter mba hilaza teny tsara i Israely. Arovan'ny olona izay matoky kosa ny Flotilla. Fa tsy izay karamaina. Izay no maha samy hafa azy ireo.

Amna Saeed nanamarika hoe:

The US and #Israel are apparently the only countries incapable of terrorism. #gaza#flotilla

Etazonia sy #Israely no toa firenena hany tsy mahavita fampihorohoroana

Mandritra izany fotoana izany, namoaka sioka ny WorldPeace2Day, izay nisy nizara imbetsaka manerana ny tambajotra – nandritra ny 24 ora/24 satria mbola mitohy ny fivoarana. Anisan'ireo sioka farany indrindra nalefany ireto roa mifampiankina ireto izay mampanontany hoe:

Why did Israel attack Gaza Flotilla in International waters? THIS IS AN ACT OF PIRACY THAT SHOULD BE PROSECUTED

Nahoana no nanafika ny Gaza Flotilla tao anatin'ny fari-drano iraisampirenena i Israely? ASA PIRATY IZAY TOKONY HOMELOHINA IZANY

Don't let Israel ‘wiggle out’ of answering the question: “Why did you attack and kill people in International waters?” #freedomflotilla

Aza avela “mandositra” i Israely amin'ny famaliana ny fanontaniana hoe: “Nahoana ianao no nanafika sy namono olona tany amin'ny fari-drano iraisam-pirenena?”

Amin'ny sioka iray hafa, manontany i WorldPeace2Day:

Food4Thought:
If Israel has a right 2defend itself, then why does it provoke
Palestine & Gaza 2defend itself &then call it an attack?

Sakafo ho fampieritreretana:
Raha manan-jo hiaro tena i Israely, nahoana izy no mihantsy
Palestina & Gaza miaro tena & avy eo miantso izany fa fanafihana?

Miresaka fiarovana, Sarah Janett nihiaka hoe:

Now,I admit. Israeli soldiers were defending themselves from most dangerous weapon: Pikachu http://bit.ly/9QKXDV#flotilla#FreedomFlotilla

Ankehitriny, miaiky aho. Miaro tena amin'ny fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra ny miaramila Israeliana: Pikachu

Mitohy amin'ireo sioka hafa manerana ny tambajotra ny fanevatevana. Manontany ny fampiasana fanadihadiana iray hafa momba ny hetsik'i Isiraely i Kiliffe. Nisioka izy hoe:

Doesn't matter if the Dalai Lama investigated the #flotilla attack, Israel would still call the report a piece of crap.

Tsy misy dikany (ve) raha nanadihady ny fanafihana #flotilla i Dalai Lama, dia mbola antsoin'i Israely fa tsy misy ilana azy ihany ny tatitra.

Ary farany fa tsy kely indrindra, Jnoubiyeh nitabataba hoe:

If anyone ever needed any more evidence about the absolutely evil, sick & homicidal nature of the #Zionist regime, they got it this week.

Raha misy olona mila porofo fanampiny momba ny toetra tena ratsy, marary sy mamono olona ataon'ny fitondrana #Zionist , nahazo izany izy tamin'ity herinandro ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.