- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamaha Ny Olan'ny Olom-pirenena Ny Bilaogy

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 21 Jolay 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mandeha amin'ny lalambe faran'izay mafy ianao (120km / ora), miresaka amin'ny namana iray, tony. Tampoka teo dia nisy bisy fitateram-bahoaka iray nandeha mafy nihoatra anao ka nampanontany tena anao hoe: fa firy ny hafaingam-pandeha an'izany bisy izany? Ary nanapa-kevitra ny hanaraka ilay bisy ny mpamily.

Nitantara ny zavatra hitany i Carlos Verdugo (ES) [1] : ” Teo anelanelan'i Tongoy sy Los Vilos ara-bakiteny izahay, miaraka amin'ny hafainganam-pandeha mafy indrindra azon'ny fiara atao, raha nisy tselatra matevina nipoitra sy handalo anay, ary nanontany tena izahay hoe: Vorona ve iny? Tsia, fiaramanidina ve? Tsia ilay superman ve? Tsia, fa i Ramos Cholele (orinasa fitateram-bahoaka ao amin'ny faritra) “.

Nanohy izy nilazalaza  fa nanaraka ilay bisy mba hamantaran'izy ireo ny hafaingam-pandehany. 170 km /ora. Tsy nifarana hatreo ny tantara. Nalain'izy ireo sary tamin'ny finday izany ary navoakany antserasera, ka nahatonga fanehoan-kevitra maherin'ny 60 izay nizara ny olana. Nandefa [2]momba izany ihany koa ny El Morroccotudo (ES) [3], gazety tranonkalan'ny bilaogy avy ao amin'ny faritra .

Noho izany, nangataka fahazoan-dàlana tamin'izy ireo hampiasa ilay lahatsary ireo sehatra fampitam-baovao isankarazany.

Tao anatin'ny herinandro vitsy lasa izay,  nahatonga ny lehilahy iray hanangana ny bilaogy (ES) [4] ho an'ny fanehoany ny ahiahiny mikasika ny heloka bevava ao Shily ny fandrobana trano iray. Nikarakara fitokonana nasionaly [5] ireo mpianatra tamin'ny alàlan'ny bilaogy sy ny bilaogin-tsary. Nanangana bilaogin'ny vondrom-piarahamonina sy ny pejin'ny tranonkala ireo faritra manodidina izay nitaky ny famotsorana ilay lehilahy tsy manan-kialofana sy mba handefasana ny vaovao . Ny herinandro lasa teo, nanao fanentanana ny bilaogera [6] ho an'ireo niharam-boina tamin'ny tondra-drano tany atsimo. Manana mponina miisa 16 tapitrisa i Shily. Noho izany, mety ho valinteny isan'andro izany ho an'ny firenena hafa, fa ho antsika kosa dia fomba iray hanitsiana ny fampitam-baovao amin'ny olana ara-tsosialy.

Na dia mbola tsy rototra amin'ny fananganana bilaogy sy teknolojia hafa aza ny fampahalalam-baovao Shiliana , dia efa nanomboka nampiasa izany ny mponina, ary nanomboka tsikelikely ireo bilaogy natao ho loharanom-baovao izay nosahanin'ny fampitam-baovao nentim-paharazana hatramin'izay.