- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Milentika Anaty Fotaka Hatreny An-tenda Ireo Tantsaha Ao Rajasthan India Hanoherana Ny Fakana Tany Ankeriny

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fampandrosoana, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Tontolo_iainana, Zon'olombelona
[1]

Pikantsary tao amin'ny lahatsary YouTube avy amin'ny NDTV

Nanomboka ny 2 Oktôbra 2017,  tantsaha maherin'ny 50 any Jaipur, any amin'ny fanjakana avaratra-andrefana Rajasthan ao India, no nanao fihetsiketsehana hafa kely [2], izay nahitana azy ireo nifandimbidimby nipetraka tao anatin'ireo lava-potaka hatreny am-balahana.

Niampanga ny fanjakana ho naka an-keriny ny taniny ireo mpanao hetsi-panoherana, taorian'ny nanomezana azy ireo ny onitra tsy araka ny tokony ho izy. Amin'izao fotoana izao, mitaky ny hanajanonana ny fakana ny tany izy ireo, ny fanaovana fanadihadiana vaovao ary ny fanonerana sy ny fakana ny tany mba hifanaraka amin'ny lalàna vaovao momba ny Lalànan'ny Fananan-tany taona 2013 [3] izay nampiharina tamin'ny 01 Janoary 2014.

Nikarakara fitokonana ireo tantsaha nandritra ny 14 andro  saingy tsy nahazo valiny avy amin'ny governemanta talohan'ny nanatanterahana ilay hetsi-panoherana “maloto” amin'izao fotoana izao, izay antsoin'izy ireo hoe “Zameen Samadhi Satyagraha [4]” (fandevenana satyagraha [5], endrika fanoherana  tsy misy herisetra).

Nandavaka lavaka miisa 40 izy ireo sy hadilanana vitsivitsy [6]. Anisan'ireo olona 54 avy amin'ny sokajin-taona rehetra izay mifandimbindimby mipetraka tao anaty lavaka ny vehivavy maro, anisan'izany i Nanthi Bai, 90 taona.

Ny tany ifandirana dia ao an-tanànakelin'i Nindar [7] akaikin'i Jaipur, izay anisan'ilay 330 hekitara navahan'ny governemanta tamin'ny taona 2010 hanaovana ny tetikasa Ninder [8] hananganana ny trano miisa 10.000.  Nokasaina hatao ho an'ny sarangan'olona ambany fidiram-bola, ny “sokajy ara-ekonomika ambany kokoa,” ary ny sarangan'olona antonony ireo trano.

Efa nanao fihetsiketsehana tamin'ny fomba isan-karazany ireo mponina any Jaipur hatramin'ny nisian'ny fangalana ny tany hanombohana ny tetikasa tamin'ny taona 2010. Hatramin'izao, 150 hekitara [4] tao amin'ny tanànakely no efa azon'ny Manampahefanan'ny Fampandrosoana ao Jaipur [9]  izay nametraka ny tetikasa; maniry ny hanakana ny fakana ireo tany sisa ny tantsaha. Nanome 600 tapitrisa ropia Indiana (9.2 tapitrisa dolara amerikana) ny Manampahefanan'ny Fampandrosoana ao Jaipur tao amin'ny fitsarana iray ao amin'ny faritra ho an'ny tany sasany. Nilaza ny tantsaha mpanao fihetsiketsehana fa tamin'ny taona 2010 no nanaovana ny sandan'ny fanonerana kanefa lafo kokoa ny tsenam-barotra amin'izao fotoana. Miantraika amin'ireo fianakaviana miisa 5.000 eo ho eo ity fakana tany ity, anisan'izany ireo tantsaha .

Ankoatra izany, nahazo alàlana  ny tetikasa talohan'ny nahalanian'ny lalàna vaovao momba ny fakana tany tao India. Nampahatsiahy tao amin'ny Facebook ilay manampahefana  misotro ronono tao amin'ny governemanta Laxman Burdak [10] hoe:

The government should acquire land of farmers as per new Land Acquisition, Rehabilitation, and Resettlement Act. It's clearly mentioned, that government cannot acquire land if consent from 80% farmers is not given.

Tokony haka ny tanin'ny tantsaha araka ny lalàna vaovao momba ny Fakàna ny tany, ny Fanarenana ary Famerenana amin'ny laoniny ny tany ny governemanta. Voalaza mazava fa tsy afaka maka ny tany ny governemanta raha toa ka tsy nahazo ny 80%-n'ny fankatoavan'ny  tantsaha izany.

Olona miisa 1,3 lavitrisa no miaina ao India,  izay ahitana ny hakitroky ny mponina [11] miisa 445 isaky ny kilaometatra toradroa. Ny tany noho izany no tena loharanom-karena vitsy indrindra ao amin'ny firenena. Tsy tena nanome fiarovana ho an'ireo lasibatry ny fakana ny tany ny Lalàna momba ny Fakana tany tamin'ny taona 1894 [12] tamin'ny vanim-potoan'ny fanjanahantany Britanika tany India. Nampanantena [13]ny lalàna vavao momba ny fakàna tany tamin'ny taona 2013 fa:

1) Increased compensation for farmers – market prices are updated
2) Expanded coverage – non-owners facing loss of livelihood are compensated
3) Rehabilitation and resettlement made compulsory
4) Taking informed consent of land-losers – 80% for private projects
5) The requirement of social impact assessments to determine a project's impact on people's lands and livelihoods; more specifically, to identify all affected people.

1) Onitra bebe kokoa ho an'ny tantsaha – nohavaozina ny vidin'ny tsena
2) Fanitarana ny fandrakofana – omena onitra ny tsy tompon'ny tany izay very fivelomana
3) Takiana ny fanarenana sy ny famerenana amin'ny laoniny ny tany
4) Fahazoana fankatoavana mazava avy amin'ireo very tany – 80% ho an'ny tetikasa tsy miankina
5) Takiana ny tombatombana amin'ny fiantraikany ara-tsosialy  mba hamaritana ny fiantraikan'ny tetikasa eo amin'ny tanin'ny mponina sy ny fivelomany; indrindra mba hamantarana ireo olona rehetra voakasik'izany.

Nanambara tamin'ny fampahalalam-baovao [14] ny sekretera lefitra ao amin'ny Manampahefanan'ny Fampandrosoana ao Jaipur i Raj Kumar na izany aza fa nanomboka tamin'ny taona 2010 ny fizotran'ny fakana ny tany ary vita taorian'ny fanonerana ara-dalàna ny volana May 2013 ny fifanarahana. Nilaza mihitsy aza ny governemanta fa ao ambadiky ny fisavoritahana ny olona manana “tombontsoa manokana”.

Tsy tsara izany, hoy i Videh Kumar [15] avy any New Dehli:

The proper rehabilitation is must and without ensuring proper rehabilitation, schemes, whatever good concept it may have, will certainly invite strong agitation.

Tsy maintsy atao ny fanarenana araka ny tokony ho izy  satria raha tsy izany dia vao maika hiteraka fisavoritahana ny rafitra, na dia heverina  ho tsara aza ny foto-kevitra.

Nilaza ny tantsaha fa tsy misy mihaino ny fitarainan'izy ireo. Nizara ny tsy fahafaham-pony tao amin'ny Facebook i Kazim Ahmed [16], Indiana monina any ivelany, fa tsy ampy ny tatitry ny fampahalalam-baovao Indiana amin'ny fanasongadinana ny mahazo ireo lasibatra:

This has been an international news, what has Indian media done other than just reporting? No national television debates, rather we are being deflected by other minor issues!

Vaovao iraisam-pirenena izany, inona no nataon'ny fampitam-baovao Indiana ankoatra ny fanaovana tatitra fotsiny? Tsy nisy adihevitra nasionaly tao amin'ny fahitalavitra, fa naleontsika mitodika any amin'ny olana madinika hafa!

Ho an'izany rehetra izany, nisioka mikasika ity raharaha ity ny lehiben'ny minisitra teo aloha Rajasthan Ashok Gehlot:

Mahaontsa ny mahita ireo tantsaha ao Ninder manao fihetsiketsehana mandevina ny vatany ao anaty fotaka.

Tsy mangataka tombontsoa na mitaky fiantrana ireo tantsaha, fa mitaky ny tena zony marina izy ireo.

Ary hoy ilay mpanao gazety Smita Prakash raha nanoratra hoe:

Milentika ao anaty fotaka ireo tantsaha sy ny fianakaviany any Rajasthan ho fanoherana ny fakan'ny governemanta ny taniny. faha-17 andro ny androany.

Ho hita eo raha toa ka hisarika ny saina araka izay antenain'ireo mpandray anjara ity fihetsiketsehana ity.