
Sary televiziona nalaina tao amin'ny tranonkalan'ny Komity Mpikarakara PyeongChang . Famaritana (farany havanana): “Fa nahoana i Japana no nesorina tamin'ny sarintany tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny Olaimpika PikeongChang 201 8?”. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube ofisialin'ny ANN.
Niteraka fahatezerana tao Japana ny fanesorana an'i Japana tamin'ny sarintany ao amin'ny pejy habaka ofisialin'ny Lalao Olaimpika Ririnina ho avy amin'ny taona 2018, ka naneho ny lolom-po lalina tamin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy.
Tamin'ny Alarobia 27 septambra 2017, voalaza fa nanamarika ny fanesorana ny vondronosy Japoney tao anaty sarintany nampidirin'ny komity mpikarakara ny Lalao Olaimpika Ririnina 2018 PyeongChang ny Sampan'ny Fanatanjahantena Japana, izay manohana ny fandaharan'asan'ny atleta amin'ny Olaimpika ao Japana. Efa nanao fitarainana tamin'ny alàlan'ny masoivoho Koreana Tatsimo tao Tokyo izy ireo, araka ny filazan'ny Associated Press.
Satria hotontosaina ao Korea Atsimo, mpifanolo-bodirindrina aminy, amin'ny volana Febroary 2018 ny Olaimpika Ririnina, dia tsikaritra ihany ny fanesorana an'i Japana tamin'ny sarintany.
Raha nanazava ny komity mpikarakara Pyeongchang, dia nanazava fa ny fanesorana an'i Japana tao amin'ny sarintany dia “fahadisoana tsotra” nateraky ny fanovana tao amin'ny tahirin–tsary raha nanavao ny tranonkalan'ny Olaimpika tamin'ny volana Febroary ireo mpikarakara, niparitaka be tao Japana izany hadalana izany, niteraka fitantarana tamin'ny fahitalavitra sy tenirohy tao amin'ny Twitter, #PyeongChang2018HomePage (‘#平昌五輪HP’).
Nisy ihany koa ny hetsi-panoherana miharihary be nataon'ny kabinetra Japoney tenany izay niteny mafy tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny komity mpikarakara ny Lalao Olaimpika PyeongChang.
菅義偉官房長官「極めて不適切だ」 #平昌五輪 HPで日本列島ない世界地図掲載 #平昌五輪HPhttps://t.co/JJSH6TgB4p pic.twitter.com/PM7mpXZuDu
— 産経ニュース (@Sankei_news) September 27, 2017
Suga Yoshihide, Sekreteran'ny lehiben'ny kabinetra ao amin'ny governemanta Japoney: fanadinoina “tsy mendrika loatra”. Mamoaka sarintany manadino an'i Japana ny pejy fandraisana ofisialin'ny
#PyeongChang2018.
Na dia efa nahitsy haingana aza ny sarintany, dia tsy nanakana ireo fahatezerana an-tserasera tsy hisisika ao amin'ny media sosialy izany. Manuronald, mpikambana ao amin'ny Naver Matome, tranonkala fibilaogina antserasera, nanangona sioka sasantsasany tao anaty lahatsoratra izay efa nisy nijery in-250.000. Ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra nangonin'i Manuronald dia nanao fiteny masiaka raha fahadisoana tsotra fotsiny ny fanadinoina an'i Japana.
平昌五輪のサイトの世界地図に日本がないって言うから見たらさらっと修正されてて草 pic.twitter.com/q3rTEN71lf
— すぺーす@noesis勢 (@wisdomandtalent) September 27, 2017
Rehefa nanamarika ny olona fa tsy tao anatin'ny sarintany tao amin'ny tranonkalan'ny Olaimpika PyeongChang i Japana, nahitsiny izy ireo izany, tptptptt
Nilaza kosa ireo sioka hafa fa nijanona fotsiny tsy handray anjara amin'ny Lalao Ririnina amin'ny volana Febroary 2018 i Japana.
一生懸命に練習をしてきた選手には本当に申し訳ないけど、こうなると公平なジャッジは期待できないし、日本の選手を侮辱すらするようなことが容易に想像できるので、日本は不参加が良いと思う。#平昌五輪#平昌五輪HP#平昌オリンピック#韓国 https://t.co/YKjRqY9QDd
— ハデス (@hades_Ichiro) September 27, 2017
Na dia tsy rariny tanteraka ho an'ireo atleta nanao fanazaran-tena mafy (ho an'ny Lalao Olaimpika) aza izany, matoa mitranga ity karazan-javatra ity, ho mitanila ihany koa ireo mpitsara. Somary mora ny maka sary an-tsaina ny fomba mety hanevatevana ny atleta Japoney (amin'ny Lalao), ka heveriko fa mety ho tsara kokoa raha tsy mandray anjara i Japana.
Mpisera Twitter iray nanoso-kevitra fa mety hisy fiantraikany amin'ny lalao ny fifandonana misy eo amin'ny Saikinosy Koreana, satria manandrana balafomanga balistika sy fitaovana nokleary ny fitondrana Koreana Tavaratra.
戦争が起きたり人が死ぬことは全く望まないが、北朝鮮軍の越境などで平昌五輪が中止になったらいいのに、と思う。五輪に備えて頑張ってきた選手のために翌年に別の国で「ポスト五輪」特別に開催したらいい。僕は韓国人は嫌いじゃないが国家としての韓国・北朝鮮は大嫌い。
— ピクシー (日本人でよかった) (@pixie10ole) September 27, 2017
Na dia tsy te-hahita ady sy tsy te-hahita faty olona aza aho, angamba “hampiato” ireo lalao ireo ny tafika Koreana Tavaratra, izay miorina eo akaikin'ny sisintany. Angamba afaka manemotra ny lalao amin'ny taona hafa ho an'ny aorian'ny Olaimpika izy ireo, mba hanomezana vintana ho an'ireo atleta. Tsy mankahala ny Koreana aho, fa mankahala ny governemanta Koreana Atsimo sy avaratra.
Ny fanesorana an'i Japana amin'ny sarintany dia nampifantoka indray ihany koa ny aterineto Japoney mikasika ny fifandirana roa hatry ny ela nifanaovan'i Japana sy Korea Atsimo, ny fanomezana anarana sy ny tompony izay antsoin'i Japana hoe nosy Takeshima sy antsoin'i Korea Atsimo hoe Dokdo, miorina ao anaty rano eo anelanelan'i Japana sy Korea Atsimo.
Misy ihany koa ny fifandirana hafa ankehitriny eo amin'i Japana sy Korea Atsimo mikasika izay tokony hiantsoana ny anaran'ny rano, izay antsoina matetika hoe Ranomasin'i Japana. Mihizingizina kosa i Korea Atsimo fa tokony antsoina hoe ‘Ranomasina Atsinanana’ izy io.
Ahitana izany rano ifandirana izany ihany koa ny tranonkalan'ny komity mpikarakara ny PyeongChang. Araka ny tati-baovaon'ny Livedoor ,
競技場を説明するページの地図に、島根県の竹島を「DOKDO」(独島)、日本海を「East Sea」(東海)と記載。
Ao amin'ny iray amin'ireo pejy ao amin'ny tranonkala, Takeshima ao amin'ny kaominin'i Shimane dia antsoina hoe “DOKDO”, raha antsoina hoe “Ranomasina Atsinanana” kosa ny Ranomasin'i Japana.
Amin'izao fotoana izao, noho i Japana nampidirina indray tao anatin'ny sarintany, nijanona ny adihevitra, saingy mbola manohy mitazona alahelo sy matetika fankahalana mivantana an'i Korea Atsimo ireo mpiserasera Japoney sasany.