- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Hetsika Maitso Vonona Amin'ny Fihetsiketsehana 11 Febroary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

11feb

Vonona ny Hetsika Maitso [1] hihantsy ny fitondrana Iraniana amin'ny hetsi-panoherana indray – amin'ity indray mitoraka ity, dia atao mandritra ny tsingerintaona faha-31-n'ny Revolisiona Islamista amin'ny 11 Febrorary (22 Bahman). Mandritra ity herinandro ity, hankalaza [2] ny andro izay nanamarika ny fiafaran'ny fanjakana notohanan'ny tandrefana tao Iran sy ny fiandohan'ny Repoblika Islamika ny Fanjakana Iraniana. Araka ny tati-baovao [3] avy ao Iran, nosakanana andro vitsy alohan'ny hetsi-panoherana ny fidirana amin'ny aterineto, ny mailaka [4], sy ny tolotra fandefasan-kafatra an-tsoratra.

Nanao fihetsiketsehana  [5]nanomboka ny volana Jona 2009 ny mpanohitra Iraniana mba hanohitra ny governemanta Iraniana sy ilay voalaza fa fanodinkodinana ny valim-pifidianana filoham-pirenena  .

Naneho hevitra momba ny andron'ny fihetsiketsehana ho avy sy namorona asa zavakanto ny median'olon-tsotra sy ny artista Iraniana.

Soheil Tavakoli, [6] mpanakanto namorona horonantsary vaovao miavaka ahitana hosodoko nomerika (fizarana faha-3 amin'ny andian-tantara). Amin'ny faran'ny lahatsary, maminavina ny fandresena ho an'ny Hetsika Maitso sy Iraniana afaka ity mpanakanto ity – ka na ireo mpitondra fivavahana aza dia vonona ny halaina sary eo akaikin'ireo vehivavy manao zipo sy tsy manao voaly

United4Iran izay mandrindra [7] sy manamafy ny feon'ny mpikatroka, ny mpampianatra ambony, ny ONG, ny mpanakanto sy ny hafa maniry ny hiasa momba ny resaka zon'olombelona sy ny zo sivily ao Iran, dia namoaka lahatsary ihany koa mba hampahafantatra ny fihetsiketsehana ivelan'i Iran mifandraika amin'ny 11 febroary.

Green Wave Voice [8] ihany koa namorona sombin-kira fampahafantarana ny fihetsiketsehana 11 febroary izay nanamafisana ny teny hoe “herim-po”, “fitokisana” ary “demokrasia”.

https://youtube.com/watch?v=wmS4zR0wuTo