- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pascua Lama, Shily: Famindràna Vongan-dranomandry Telo

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Azonao sary an-tsaina ve ny famindràna ireo vongan-dranomandry telo maharakotra ny tany efitra maina indrindra eto ambonin'ny tany mba hitrandrahana volamena sy volafotsy? Hankatoavinao ve ny lalàna iray manome alalana orinasa mpitrandraka tsy miankina iray mba hanana fahafahana ara-toekarena eo amin'ny sisintany manasaraka firenena roa? Izany no tantara mampahonenan'i Pascua Lama.

Mba hahazoana fampidirana mazava tsara mikasika ilay olana, manazava ny maha-zava-dehibe azy amin'ny antsipirihany ny fcadia (Es)

Pascua Lama [1] es un proyecto binacional minero que pretende realizar la compañía transnacional minera Barrick [2] Gold [3], en la alta cordillera de Chile y Argentina. En Chile, la zona comprometida corresponde a la Tercera Región [4] (Región de Atacama) y en Argentina a la provincia de San Juan [5]. Con una inversión inicial de 1.450 millones de dólares, busca extraer el oro que se encuentra bajo glaciares milenarios [6], reservas acuíferas en el desierto más seco del mundo.

Tetikasa fitrandrahana harena ankibon'ny tany misy eo aminà firenena roa ny Pascua Lama [1] izay antenain'ilay orinasa maro rantsana mpitrandraka, Barrick [2] Gold [3], hapetraka any amin'ireo tendrombohitra avo Shiliàna sy Arzantina. Ao Shily, ao amin'ny faritra fahatelo [4]  (Faritra Atacama) no misy ilay toerana ary ao Arzantina ao amin'ny Faritany San Juan [5]. Mitentina 1,45 miliara dolara ny famatsiambola niaingàna, hanao fikarohana izy ireo mba hitrandrahana volamena izay any ambanin'ireo vongandranomandry an'arivo taonany [6], tahirin-drano any amin'ny tany hay indrindra eto ambonin'ny tany.

Para poder desarrollar un proyecto en esta zona, era necesario contar con una ley que otorgara facultades especiales a las empresas, por sobre las legislaciones nacionales. Para ello, la empresa redactó un texto legal, que fue aprobado en 1997 por Carlos Menem (presidente de Argentina) y Eduardo Frei (presidente de Chile). La importancia estratégica que posee Pascua Lama en cuanto al Tratado Minero [7], es que de realizarse el proyecto, se instalaría una jurisprudencia que faculta a cualquier transnacional para que se apropie de toda la franja limítrofe cordillerana entre Chile y Argentina, de manera que la soberanía, el control de los recursos hídricos (la cordillera es la madre de nuestras aguas) y los recursos minerales que en Argentina no eran explotados por la dificultad de transporte, quedan a merced de la voluntad depredadora de las transnacionales: se crearán imperios económicos intocables en espacios que nuestros pueblos por siglos cuidaron y respetaron.

Mba hahafahana mampiroborobo ny tetikasa eo amin'io faritra io, nilaina ny manana lalàna manome alalana manokana an'ireo orinasa, ambonin'ireo lalànam-pirenena. Ary dia nandrafitra andàlana araka ny lalàna nankatoavina tamin'ny taona 1997 ilay orinasa, avy tamin'ireo mpitondra tamin'izany fotoana dia i Carlos Menem (Arzantina) sy Eduardo Frei (Shily). Ny lanja stratejika ananan'i Pascua Lama ao anatin'ilay fifanarahana fitrandrahna harena ankibon'ny tany [7], raha mihodina ilay tetikasa, dia hisy savaravina iray hiorina izay manome antoka ireo orinasa rehetra manana rantsana aminà firenena maromaro mba ho tompon'ireo harena ankibon'ny tany ao amin'ny sisintany manelanelana an'i Shily sy Arzantina. Noho izany, ny fiandrianam-pirenena sy ny fanarahamaso ny rano (ireo tendrombohitra no renin'ny ranonay) ary ireo harena mineraly izay tsy mbola voatrandraka tao Arzantina noho ny fahasarotan'ny fitaterana, dia ho tavanin'ireo orinasa maro rantsana sy mpitsentsitra. Hanorina fanjakazakana ara-toekarena tsy azo kitikitihana izy ireo ao amin'ireo faritra natoraly izay nohajain'ireo vahoakanay sy nohajariany nandritra ny taonjato maro.

Ankoatra izay, tsy misy ny fiarovana ireo harena voajanahary raha araka ny faritan'ity famintinan'ny Atina Chile [8] (Es) ilay tetikasa misy idiran'ny velarantany 24 hektara hanisahana ireo vongandranomandry telo samihafa ity. Mitondra rano ho an'ny lohasahan'i Huasco ireo vongandranomandry.

El proyecto busca explotar las cerca de 17 millones de onzas de oro y 635 millones de onzas de plata para lograr una producción anual promedio, según ha declarado la firma, de aproximadamente 750.000-775.000 onzas de oro y 30 millones de onzas de plata anuales durante los primeros diez años.

Maniry haka hitrandraka volamena manodidina ny 481 taonina sy volafotsy 18000 taonina ilay tetikasa, mba hahazoana vokatra volamena manodidina ny 21-22 taonina isan-taona sy volafotsy 850 taonina eo ho eo mandritra ireo folo taona voalohany.

Maro ireo hetsi-panoherana sivily niforona hatramin'ny nipoiran'ilay tetikasa ho lohateny vaventy tany anatin'ireo gazety shiliàna.

Misy blaogy [9] tsy ofisialy iray (Es) ihany koa izay mety ahitanao ireo lahatsoratra rehetra nanomboka ny volana Janoary 2006 mikasika ilay olana. Manana ‘fotoblog [10]‘ ihany koa (Es) izy ireo izay ampahafantaran-dry zareo ireo hetsika koltoraly nataony mba hampahalalàna ny olona mikasika io olana io. Ny tambajotra iraisana, Atina Chile [8] (Es) ihany koa manana tahirin-kevitra iaraha-miasa amin'ny aterineto sy famintinana iray ahitàna ireo vaovao rehetra mikasika io tranga io.