- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Mondialy Antserasera: Ny Bilaogin'I Lionel Messi Sa  Blognovela

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Ekoatora, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 27 Jona 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Sabatra roa lela ny tranonkala manana endrika tsy fantatra anarana . Etsy andaniny, mianatra mora foana ny famahanana bilaogy tsy mitonona anarana [1] ary maneho ny tenany ho tsy manantahotra fa ho tratran'ny valy bontana ireo olom-pirenena izay miaina isan'andro ny fangejan'ny governemanta. Etsy ankilany, sarotra mba tsy ilazana hoe tsy azo atao angaha ny manamarina ny tena mari-panondroana ny mpanoratra ao amin'ny bilaogy atolotra iray. Tsy midika anefa izany fa tsy manandrana manao izany ny olona. Nanazava ny adihevitra manodidina ny tranonkalan'ny bilaogy iray izay nosokajiana ho nosoratan'ilay tanora malaza amin'ny baolina kitra Arzantina, Lionel Messi (ES) ilay mpampianatra fampitam-baovao Ekoadaoreana, Christian Espinosa [2] .

Whether it really is or isn't the blog of Lionel Messi [3], we can certainly say that more than 250 people are commenting on the journal that supposedly belongs to the Argentine football player renowned for being one of the world's young players with the greatest promise (he recently turned 19).

I've enjoyed reading how the people try to discover if it is or isn't the very same Messi [4], checking the time difference between Argentina and Germany, his spelling mistakes (the love and hate attitudes toward the new writing used in text messages is worthy of a study), and other comments which are incredible.

Whoever he may be, he continues posting [3] theoretically from Germany with hundreds of followers reading on and, day after day, making an authentic blog-soap-opera [4].

Blog or Blognovela?

The blog of Lionel Messi or his impostor is Blog de Lio [3]

Here are some of his categories and you can draw your own conclusions …

Related

Now I remember that, in Chile [10], something similar happened with the blog created by the ex-president, Ricardo Lagos [11] and those who doubted that it was really his blog [12]. Supposedly there's going to be a book about it [11]. No matter what, the blog medium has become a way to deal with these celebrities on a daily basis.

Na tena izy na tsia ity bilaogin'i Lionel Messi [3] ity, dia azo lazaina fa olona maherin'ny 250 no maneho hevitra ao amin'ilay lahatsoratra izay lazaina fa an'ilay mpilalao baolina kitra malaza any Arzantina izay fanta-daza ho iray amin'ireo tanora mpilalao manerantany mahavelom-panantenana lehibe indrindra ( vao haingana izy no nandray 19 taona).

Tiako ny mamaky ny fomba fiezahan'ny olona ahafantatra raha toa ka tena i Messi tokoa na tsia izy ity [4] , nohamarinina ny fahasamihafan'ora misy teo amin'i Arzantina sy Alemaina, ny fahadisoan-tsipelina (ny fitiavana sy ny fankahalana manoloana ny lahatsoratra vaovao nampiasaina tao amin'ny hafatra dia tsara hanaovana fanadihadiana), ary fanehoan-kevitra hafa izay tsy mampino.

Na iza na iza izy, manohy mamoaka lahatsoratra [3] avy any Alemaina manana mpanjohy an-jatony mamaky izany isan'andro ity olona ity, ary manao izany ho andian-tantara mahaliana tahaka ny tena izy [4].

Bilaogy sa Blognovela?

Blog de Lio [3] no anaran'ity bilaogin'i Lionel Messi na ilay mpisoloky ny anarany ity

Ireto misy sasantsasany amin'ireo sokajin-dahatsoratra navoakany ary azonao atao ny manao ny fehin-kevitrao manokana …

Tantara mifandraika

Ankehitriny tsaroako izany tao Shily [10], nisy zavatra nitranga toy izany tamin'ny bilaogy izay noforonin'ny filoha teo aloha, Ricardo Lagos [11] ary ireo izay niahiahy raha tena bilaoginy tokoa izany [12]. Angamba nisy boky mihitsy aza momba izany [11]. Na inona na inona anefa, nanjary fomba iray hiresahana ireo olo-malaza ny fampitam-baovao amin'ny alàlan'ny bilaogy .