- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Sarimihetsika “Da Vinci Code” Tao Azia Atsimo Atsinanana

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Malezia, Thailandy, Fanoherana, Fivavahana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika

(Marihina fa tamin'ny 21 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Raha vao nanomboka nivoaka manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana ny sarimihetsika ” Da Vinci Code “, dia efa nisy sahady ny fihetsiketsehana sy ny antso nataon'ny vondrona Kristiana izay nangataka ny governemanta mba handrara ny sarimihetsika. Tao Filipina, dia ny tanàndehibe Manila renivohitra no lohalaharana tamin'izany fandraràna izany.

Diso fanantenana tamin'ilay fanapahan-kevitra i Yvette [1] tao amin'ny bilaoginy MySpace:

I can't hide my disappointment when I hear stupid things like this. Amidst all the bigger issues the Church could be undertaking in the Philippines – such as helping the poor or taking a stance on corruption rather than being a part of it – it chooses to make airwaves by banning a measly movie based on fiction with Tom Hanks sporting a bad haircut.

Tsy azoko afenina ny fahadisoam-panantenako raha nahare zavatra tsisy dikany toy izany aho. Ao anatin'ny olana goavana rehetra izay atrehin'ny Fiangonana ao Filipina – toy ny fanampiana ireo mahantra na fanehonkevitra momba ny kolikoly fa tsy hoe anisan'ny mandray anjara amin'izany – dia nisafidy nampiaka-peo tamin'ny fandraràna ny sarimihetsika masiaka mifototra amin'ny tantara foronina ahitana an'i Tom Hanks misarita-bolo izy ireo.

Faly i Lucia Lai [2] ao Malezia fa aseho ao an-toerana ny sarimihetsika

In fact i am very happy that this movie was allowed to be shown, and i wished and wished that no church bodies or organisations would come out to say this movie should be banned. i want the movie to be shown and i want the world to see the reaction of christians.

Raha ny marina, tena faly aho fa navela hiseho malalaka io sarimihetsika io, ary maniry hatrany hatrany aho fa tsy misy fiangonana na fikambanana  hanambara fa tokony horarana ity sarimihetsika ity. Tiako raha haseho ny sarimihetsika ary tiako izao tontolo izao hahita ny fihetsiky ny Kristianina.

Tao Thailandy, nambara tamin'ny voalohany fa hosivanana noho ny fihetsiketsehan'ireo vondrona Kristiana Thailandey ny 10 minitra farany amin'ny sarimihetsika. Taty aoriana anefa, navelan'ny manampahefana nalefa manontolo ny sarimihetsika .

Nilaza i Andrew Biggs [3] tao Thailandy hoe:

Yesterday it was announced that the final ten minutes of the Da Vinci Code would not be cut. Hooray! This is a victory for common sense.
According to the Nation this morning, the movie company will hand out clarification messages with all tickets sold. This is a much better idea, isn’t it? We can educate people, and teach them to think for themselves, instead of banning something outright.

Nambara omaly fa tsy ho tapaka ny folo minitra farany ao amin'ny Da Vinci Code . Hooeey! Fandresena ho an'ny fahatsapantena iraisana izany.
Araka ny voalazan'ny firenena tamin'ity maraina ity, handefa hafatra fanazavana miaraka amin'ny tapakila rehetra amidy ny orinasan-tsarimihetsika. Hevitra tsara kokoa izany, sa tsy izany? Afaka mampianatra ny olona isika ary mampianatra azy ireo hisaina momba ny tenany manokana, fa tsy hanao fandrarana tsotra fotsiny amin'izao.

Vaovao farany: Nandefa mailaka momba ny fihetsika hafa tanteraka [4] tao Indonezia ilay bilaogera ao amin'ny Unspun: Deciphering Indonesia tamin'ny filazana fa tsy nangataka ny fandraràna ny Vaomieran'ny Eveka tao Indonezia (KWI).

The KWI’s decision is based on its assumption that Catholics in Indonesia are mature enough and that forbidding them to watch the movie would only increase their desire. One wonders what goes on in the minds of those of the Vatican.

You’d have thought that they had learned something about the Principle of Scarcity from the days when Adam and Eve were romping around Eden.

Mifototra amin'ny fiheverany fa efa matotra tsara ny Katolika ao Indonezia ny fanapaha-kevitry ny KWI ary hampitombo fotsiny ny faniriany ny fandraràna azy ireo hijery ny horonantsary. Manontany tena ny sasany hoe fa inona no tena ao an-tsain'ireo ao Vatican.

Mety hihevitra ianao fa efa nianatra ny momba ny Fitsipiky ny Fahavitsiana izy ireo hatramin'ny andro nitsangatsanganan'i Adama sy i Eva tao Edena.